Taratra

Vaovao tambatra

Voarara ny fampiasana ny jiro  maroloko sy « flashy » ho an’ny fiara na moto manerana ny Nosy, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Anisan’ny mahatonga lozam-pifamoivoizana ny fampiasana ireo jiro voalaza ireo. Hisy ny sazy hampiharina amin’ireo izay minia mandika lalàna. Tanora  mpandraharaha miisa 100  no […]

« Foire Analamanga »: hanome sehatra ny fambolena sy fiompiana

Hatao ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao eny amin’ny kianja Barea ny hetsika “Foire Analamanga”, andiany voalohany. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.  Betsaka ny tanora mandraharaha amin’io tontolo io. Tanjona, araka izany, ny hampiakatra avo ity seha-pihariana ity. Fanamby […]

Fadintseranana: hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra

Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ataon’ny fadintseranana malagasy ny fampiasana ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny  fikirakirana antontan-taratasy rehetra. Atao hanafainganana ny asa sy hisorohana ny hosoka ary hampiroborobo ny fidiram-bolam-panjakana izany. Singa iray ao anatin’izay ny tsy fampiasana taratasy amin’ny filazana mombamomba ny fiara nafarana avy any ivelany […]

Fananan-tany sy trano: manodidina ny 1 400 000 ny mpandoa hetra manerana ny Nosy

Mbola ambany ny taham-pahavitrihan’ny fandoavan-ketra amin’ny fananan-tany sy trano eto Madagasikara. Loharanom-bola ho an’ny kaominina ny vola azo avy amin’ny hetra entina handraofana ny fako sy hananganana fotodrafitrasa eny amin’ny fokontany samihafa. Ny taona 2022, manodidina ny 1 475 000 ny isan’ny mpandoa hetra manerana ny Nosy. Tamberin’andraikitra ataon’ny kaominina ho […]

Fiatrehana ny fifidianana: hampandany ny kandidà Andry Rajoelina ny Freedom

Nanao fanambarana tetsy Antanimena, omaly niaraka amin’ireo solontena isam-paritra ny antoko Freedom. Nohamafisin’ny filoha nasionaly, i Lalatiana Rakotondrazafy tamin’izany ny fanohanany ny kandidà Rajoelina. “Manohana ary vonona hanao fampielezan-kevitra, hampandany ny kandidà, Rajoelina Andry, ny antoko Freedom“, izy. Notsiahiviny fa antoko voalohany nangataka ny hilatsahany hofidina fanindroany indray ny antoko […]