Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir. Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa […]
Taratra
Nanafika tranona relijiozy… Jiolahy iray naratra tratran’ny fitsaram-bahoaka
Sendra ny nahay azy ! Naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo tao Nandihizana, fokontany sy kaominina ambanivohitr’Ambohimasina, distrikan’i Betafo, afakomaly. Jiolahy telo nitondra famaky sy kibay no tafiditra tao an-tokotanin-dry masera rehefa avy nihanika tamboho. Ny mpanampin-dry masera no tratran’ireo jiolahy ka nasainy namoha varavarana. […]
Horonantsarimihetsika: efa azon’ny rehetra jerena ny « Nampoina »
Tontosaina anio tolakandro, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny fandefasana ny horonantsary “Nampoina : Ny riaka no valampariako”, izay an’ny fikambanana Valamparihy, ho an’ny besinimaro. Ny mpianatra sy ny tanora no tena kendren’ny tomponandraikitra hahita ity horonantsary ity. Tanjona ny handefasana azy any amin’ireo Oniversitem-panjakana sy ireo sekoly maro samihafa. […]
“Sivy Mahasaky”: hisy ny seho fahatsiarovana an’i Tsilavina Ralaindimby
Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Plaza Ampefiloha, ny fampisehoana ahatsiarovana sy hanomezam-boninahitra an’i Danaivo, Tsilavina Ralaindimby ary i Donné Sahondrafinina. Ny tarika “Sivy Mahasaky” no hamelona indray ny kanton’ireto andrarezin’ny kanto malagasy ireto. Kaloin’ireto andrarezina ireto, laroina ireo hiran’ny tarika “Sivy mahasaky” no hanakoako eny an-toerana amin’ity anio ity. Efa […]
Taratry ny kanto
Niu Raza. Tanterahina ny sabotsy 9 septambra 2023, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana hataon’i Niu Raza. Seho an-tsehatra ahitana dihy sy hira no ampanantenain’ity mpanakanto ity ny mpankafy azy. Efa lany tanteraka ny tapakilan’ny fampisehoana, omaly. Fotoana sisa, araka izany, no andrasan’ny rehetra. “Vazo miteny”. Hihaona eny Antsahamanitra, ny […]




