Taratra

Fanondranana olona: mpisandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena tratra

Tratran’ny polisy ao amin’ny sampandraharaha pasipaoro sy ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy miady amin’ny fampiasana ireo antontan-taratasy hosoka (SCESLFD), ny faran’ny volana aogositra teo, ny lehilahy iray 52 taona. Nisandoka ho mpiasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola izy sady mahavita mikarakara taratasy hosoka hanaovana pasipaoro. Voasambotra ihany koa […]

Sombim-baovao

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao 30 voalohany hofidina amin’ny “Ballon d’or 2023”, tsy ao anatin’izany ilay portiogey, Cristiano Ronaldo, sy ilay kalaza brezilianina, Neymar Junior. Ankoatra izay, ao anatin’ity lisitra ity ihany, i Kylian Mbappe, mpilalao frantsay sy i Lionnel Messi, mpilalao arzantinina. Jude Bellingham, Anglisy mpilalao baolina kitra. Manana herijika […]

Can 2023-Handball: lavon’ i Tunisie i Madagasikara

Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar, vehivavy juniors, tamin’ity Can 2023, taranja handball atao any Monastir Tunisie, ny 7-14 septambra, ity. Nomontsanin’i Tunisie mpampiantrano tamin’ny isa mavesatra 44 no ho 11 i Madagasikara, omaly. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, nanjakan’ny tonizianina tanteraka ny lalao. Teo amin’ny fidirana voalohany, nanomboka […]

Rugby Mondial 2023: hifanandrina i Frantsa sy i Nouvelle Zélande

Hanomboka anio hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao, any Frantsa, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby, lehilahy. Hanokatra ny lalao amin’izany ny fihaonan’ny XV France, mpampiantrano sy ny All Blacks, Nouvelle Zélande. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Stade de France. Marihina fa mbola manala vela amin’ ny XV France […]