Tanterahina eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity ny atrikasa famolavolana ny lasim-panofanana momba ny “Pâtissier – traiteur”, iaraha-miasa amin’ny Institut Européen de coopération et de développement (IECD). Dingana voalohany amin’ity atrikasa ity ny fampivondronana ireo manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry […]
Taratra
Indray mijery
Manamarika ny faha-25 taona nisiany ny fikambanan’ny mpitsabo misehatra amin’ny minisitera eto amintsika. Hanomboka anio, amin’ny alalan’ny hairanty eo amin’ny Parvis Analakely, ny hetsika. Misy fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny diabeta, fitsapana tosidra izay maimaimpoana anatin’ny tolotra omena ny mpitsidika eny. Hisitraka fampiofanana sy fampitaovana mikasika ny fitantanana ny […]
Vondrom-pikambanana ao Atsinanana: « Ny fahasamihafana no antoky ny fampandrosoana »
Miaina sady manaja ny fahasamihafana eo amin’ny toerana niaviana ny ao amin’ny faritra Atsinanana. Ataon’ireo mpitantana ao an-toerana ho fanoitra amin’ny fampandrosoana izany. Nisy ny faniratsirana sy fanosoram-potaka ny raiamandreny ara-panjakana sy ara-drazana ary ny fitsarana eto amin’ny faritra Atsinanana, tamina haino aman-jery sy tambajotran-tserasera, niainga tamina tale kabinetrana sampandraharaham-panjakana […]
Rabary Paul: “Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”
“Tokony hisy fifampidinihana mialoha ny fifidianana”, hoy ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul, manoloana ny toe-draharaham-pirenena mafanafana amin’izao fotoana izao. Vokatra andrasana amin’ny fifampidinihana ny hanomezana antoka ny rehetra fa madio sy mangarahara ny fifidianana. Etsy andaniny, fanomezana antoka ny rehetra fa hanaiky ny voka-pifidianana. […]
Fantina sy fintina
Mitaky fanazavana amin’ny Foloalindahy ny Jly Tsaranazy Jean Emile. Nambarany fa anisan’ny fepetra noraisin’ny amiraly Ratsiraka ny nandroahana ny tafika frantsay teto. Nahasarotiny azy ny fiandrianam-pirenena. “Tokony haneho hevitra ianareo Foloalindahy, manoloana ny fizakan’ny filoha ny zom-pirenena frantsay“, hoy izy. Nandray fepetra manokana ny prefet de Police Antananarivo sy ny […]




