Taratra

Fampidirana mpianatra garabola Mila omanina ara-tsaina ny ankizy madinika

Nitondra fanazavana ny psychologue , Rajaonarivnyo Holitiana, mikasika ny fanomanan-tsaina tokony hatao amin’ny ankizy madinika vao hisantatra ny sekoly.  Mitaky fanomanana ara-tsaina mialoha be ny fampidirana ny ankizy madinika any amin’ny garabola, izay isantarany ny lakilasy. Manomboka eo no isarahany amin’ny ray aman-dreniny voalohany, ialany amin’ny tontolo mahazatra azy ary […]

Ivontoeram-pikarohana momba ny fanafody: tsy manaiky hakana ny tany misy zava-maniry hitsaboana

Misy olon-tsotra mangataka ny velaran-tany 9 000 m2 anatin’ny faritra misy ny Ivontoeram-pikarohana mahakasika ny fanafody (Cnarp). Mirongatra amin’izao fotoana izao ny fangalarana ny tany ampiasaina ho an’ny fikarohana eto Madagasikara ka tsy manaiky izany ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa eo […]

Toamasina: hampiantrano ny Andron’ny farmasianina 

Hotanterahina any Toamasina, ny 25 septambra izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tanin’ny farmasianina. “Ny farmasianina manamafy ny rafitra ara-pahasalamana” no lohahevitra voizina amin’izany. Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manoloana ny Lapan’ny tanàna ho an’ny mponina any Toamasina no hanamarihana izany. Eo koa ny fitiliana diabeta sy tazomoka, fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra, vaksiny […]

Indray mijery

Nanao fanambarana niraisana ny Fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM), omaly. Fikambanana misy ireo sendikàn’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina no mivondrona ao anatiny. Mipetraka ho arofanina ho an’ny fitondrana misy sy ny mpampiasa ny FSMM momba ny fanajana ireo zo aman-kasin’ny mpiasa rehetra. Hiakatra ny maripana ambony indrindra amin’ny […]

Razafiarison Laza: hamerina ny 200 tapitrisa Ar nangatahany

Nambaran’ny filoha mitarika ny RCR/Tolona, Razafiarison Laza fa tsy nandrotsaka kandidà indray izy ireo. “Haverina 100% ny vola efa voaray ary iantohana ny saram-pandefasana izany. Averina koa ireo vola tany amin’ny banky”, hoy izy, omaly… Niaiky ny tenany fa mbola betsaka ny vola ilaina hanatanterahana ny fampielezan-kevitra… Nankasitrahany anefa ireo […]