Tontosa, omaly, teny amin’ny Kianja Santilo Anosizato ny fihaonana baolina kitra teo amin’ny Havàtsa-Upem sy ny Faribolana Sandratra. Norombahin’ny Faribolana Sandratra avokoa ny fandresena. Sokajy lehilahy, resin-dry zareo tamin’ny isa 2 – 1 ny Havàtsa-Upem, raha 1 sy 0 kosa teo amin’ny sokajy vehivavy. « Tratra ny tanjona. Tsy ny […]
Taratra
Nirhy-Lanto 100 taona: nifarana omaly ny hetsika fampahafantarana
Tontosa omaly, teny amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny fampirantiana fampahafantarana ny momba an’i Nirhy Lanto, poeta. Ny avy eo anivon’ny Tranombokim-pirenena, miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina no nikarakara ny hetsika, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’ity andrarezin’ny haisoratra malagasy ity. Ny hetsika fampahafantarana ity mpanoratra […]
Lany ny tapakila« Seho miavaka no hoentiko an-tsehatra », hoy i Niu Raza
Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mandalo eto an-tanindrazana i Niu Raza. Hanatanteraka seho lehibe iray eto an-drenivohitra amin’ny faran’ny herinandro izao. « Tsy mitovy daholo ny fampisehoana ataoko… Hiavaka ity amin’ny sabotsy 9 septambra, ao amin’ny CCEsca Antanimena ity… Misy ny mpandihy. Na izany aza, sady hihira aho […]
Atleta sy ny fiainany andavanandro: mitantara ny fanaony Razanamandroso Florentine sy i Mbolalaina
Tapitra tanteraka izay ny lalaon’ny Nosy 2023, miverina miatrika tontolo andro vaovao indray ny atleta malagasy. Milaza ny zavatra ataon’izy ireo i Florentine sy i Mbola Lalaina Jean Aimé. Nifarana ny 3 septambra lasa teo ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay notanterahina teto amintsika. Manomboka miverina amin’ny fiainana andavanandro avokoa […]
Vaovao tambatra
Manomboka androany, etsy anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny hetsika Anjara hetrako. Toy ny mitovy tany amin’ny faritra, tsy miova ny taratasy ilaina rehetra. Mila manana dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar ny tsirairay. Vita eo no ho eo ihany ny karatry ny mpandoa hetra. Mihoatra ny 60 […]




