« Tsy mahantra ny Malagasy !», fehezanteny iray nanaovana eson-teny tamin’izany fotoana. Nihomehezana ilay filohan’ny Repoblika, nolazaina fa miteniteny foana. Toa manana ny marina izy raha mijery ireto olona 28, nametraka taratasy firotsahan-kofidiana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ireto. Mitentina 5 600 000 000 Ar na dimy miliara sy enin-jato tapitrisa Ar ny […]
Taratra
Harena an-dranomasin’i Madagasikara: mitentina hatrany amin’ny 300 tapitrisa dolara.
Anisan’ny miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny fahaiza-mitantana sy mandrindra ny harena an-dranomasina, mamaly ny filan’ny mponina mipetraka amorontsiraka. Toekarena manga miantoka ny fandrosoana maharitra ny velaran-dranomasina midadasika. Tombony ho an’ny firenena malagasy ny fananany velaran-dranomasina midadasika. Harena azo trandrahina ho an’ny fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara izany. Tombanana ho 300 […]
Tontolo iainana: velaran-tany 62ha hambolena zanakazo 45 000
Hiara-hiasa ny BNI Madagascar sy ny tahirim-bola tsy miankina malagasy natokana ho an’ny fikolokoloana ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala ao amin’ny faritra arovana ao Maromizaha, faritra Alaotra Mangoro, toerana izay tantanin’ny Vondron’asa sy fikarohana momba ny varika (GERP Madagascar). Nifanao sonia momba ny taratasy […]
Tselatra
Zazavavy roa taona niharan’ny fanolanana nataon’ny lehilahy iray tao Anjiabe, kaominina Vanono, distrikan’i Mananara Avaratra, ny faran’ny herinandro teo. Mpiray tanàna taminy ihany ity nahavanon-doza. Namonjy toeran-kafa ny ray aman-drenin’ny zaza ka napetraka tamin’io lehilahy io noho ny fahatokisana azy ilay zaza. Namoy ny ainy omaly, ilay lehilahy nitondra kodiaran-droa […]
Nampisotroina toaka gasy: ankizivavy 2 taona naolan’ny dadatoany
Ny dadatoany ihany no nahavita fihetsika mamoafady tamin’ny zanak’anabaviny vao 2 taona monja tao amin’ny fokontany Anjiabe, kaominina ambanivohitr’i Vanono, distrikan’i Mananara Avaratra. Ny 24 aogositra 2023 teo no nitrangan’ity raharaha ity. Lasa nandeha nitondra varotra mitety tanàna ny renin’ilay ankizy ka napetrany tamin’ny anadahiny io zanany niharam-boina io. Efa […]




