Hifantoka amin’ny lalao hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny Palancas Negras an’i Angola ny sain’ny mpitia fanatanjahantena, indrindra fa ny baolina kitra, anio. Tapa-kevitra ny haka isa 3 ny Barea de Madagascar. Hotanterahina anio, ao amin’ny Stade National de Lubango manomboka amin’ny 7 ora alina eto Madagasikara, ny lalao hifanandrinan’ny […]
Taratra
Miandrarivo Ambanidia: raim-pianakaviana hita faty niaraka tamin’ny “fil” ny tendany
Ahina ho nisy namono ny raim-pianakaviana, monina eny Ambanidia. Hita faty niaraka tamin’ny tariby na fil teo amin’ny tendany izy, omaly. Nahitana faty olona tetsy Miandrarivo Ambanidia, omaly atoandro. Raim-pianakaviana iray monina tsy lavitra teny ihany ity namoy ny ainy tao anaty lobolobo ity. “Efa tsy nody hatramin’ny talata hariva […]
Firotsahan-kofidina: tafapetraka eny amin’ny HCC ny dosien’ny filoha Rajoelina
Anisan’ireo kandidà hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Tafapetraka, omaly tolakandro ny antontan-taratasy firotsahany. Nohamafisiny tetsy Mahamasina izany maha kandidà azy izany. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry nanatitra ny dosieny teny Ambohidahy ny “Mandataire“, i Solofoniaina Michkael, omaly tolakandro, amin’ny fotoana nikabarian’ny filoha ny haha kandidà azy […]
Depiote R. Fetra : “Malalaka ny tsirairay”
“Ny fialana na fidirana olom-boafidy amina antoko politika, zava-pitranga amin’ny tany repoblikanina. Malalaka ny olona tsirairay hiditra na hivoaka… Tsy ny solombavambahoaka na ny ben’ny Tanàna na lehiben’ny antoko miala amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana no hifidy izay ho filohan’ny Repoblika fa ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny solombavambavahoaka IRD, […]
UNDD ; “Miankina amin’ny FFKM ny fisorohana krizy”
Mbola hitohy ve ny fampihaonan’ny FFKM? Manantena zavatra amin’ny fihaonana nasionalin’ny FFKM ny antoko UNND, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, i Manoro Régis. “Tokony hivoaka amin’izany ny fisorohana izay mety hisian’ny korontana”, hoy izy. Sorohina koa mba tsy hiverimberina ny korontana. Tsy maintsy mijery vahaolana lavitr’ezaka. Amin’izay, tsy miverimberina intsony […]




