Mpitantana English Club miisa 26 avy ao Antsiranana no nahavita fiofanana notarihin’ny Dr Kathleen Malu, avy amin’ny William Paterson University ao Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Nokarakarain’ny masoivoho amerikanina ny fiofanana ary nizarana azy ireo ny torohay sy teknika mahomby amin’ny fitarihana sy fanentanana ny English Club. Ankoatra ny fampahafantarana […]
Taratra
Seces sampana Antananarivo : “Fitakiana iray amin’ny sivy no nivaly”
Fampiharana ny fehin-kevitra tao anatin’ny filankevitra nasionaly natao ny volana jona lasa teo ny firosoana amin’ny fitakiana samihafa ho fangatahana ny hampiharana ny zo aman-kasin’ny mpampianatra. Nanao hetsika miaraka amin’ny fanamiana ahafantarana azy ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. Na teo aza ny fanambaran’ny Praiminisitra […]
TARATRY ny KANTO
Miditra ny mpianatra. Na efa mahaliana ireo ray aman-dreny aza ny mahita ny zanany mianatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy any am-pianarana, mbola mavesatra ho azy ireo ny saram-pianarana natokana ho an’izany. Ny ankamaroany, miangavy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly mba ho maimaimpoana ny fianarana azy ireo. Mivelatra be sy […]
Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto: masoivohon’ny Orange i Big MJ
Tontosa omaly, teny amin’ ny Redland Ankorondrano, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny mpanakanto i Big MJ sy ny Orange Madagascar. Samy hahazo tombony ao anatin’izao fifanarahana izao ny roa tonta. Masoivohon’ity orinasam-pifandraisana ity izany i Big MJ manomboka izao. « Tombony lehibe ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa sahala amin’izao, indrindra amin’ny fanatanterahana ny […]
« Lamba vao, Ainga vao » : mitohy ny fampirantiana ny lamba
Tanterahina anio, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny valandresaka arahina adihevitra, mahakasika ny lamba teo amin’ny kolontsaina malagasy. Mbola tafiditra ao anatin’ny fampirantiana « Lamba forever » ity hetsika ity. Mpahay kanto mampiasa lamba amin’ny haikantony no handray anjara amin’izany valandresaka izany. Mitohy hatrany ny fampirantiana “Lamba forever”. Mandravaka izany eny an-toerana […]




