Taratra

tompondakan’i afrika aostraly: nahazo fandresena faharoa ny Akomba de Madagascar

Manohy ny fahombiazany hatrany ny Akomba de Madagascar, sokajy U14, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Aostraly, taranja tenisy. Nahazo fandresena fanindroany ny Malagasy rehefa nandresy an’i Angola. Nitohy omaly, tao amin’ny kianja Windhoek Namibie, ny andro faha­roa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Aostraly, taranja tenisy isan-tarika, sokajy […]

Nendran-drajako: nahitana tranga roa tany Sierra Léone

Nanambara hamehana ara-pahasalamana, manoloana ny aretina Mpox na nendran-drajako, ny ao Sierre Léone, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tranga roa no voatily ka nohamafisina ny fanaraha-maso ny sisintany ary nahetsika avokoa ny rafitra hifehy ny aretina, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fahasalamana any an-toerana, Austin Demby. Ny 6 janoary lasa teo […]

« Chan 2025 »: tafara-bondrona amin’i Centrafrique ny Barea

Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centra­frique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy […]

Jiolahy raindahiny: maty voatifitry ny polisy i Tojohisoa sy i Avilahatsy

Nirefodrefotra ny basy tao Tanambao Verrerie ka hatrany ambadik’i Manangareza ny talata teo, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny centrale eo ambany fitarihan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, tamin’ny alalan’ny UIR ary nampian’ny Fip, tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Nizara roa miavaka ireo polisy, ny talata teo. Satria, asan-jiolahy […]