Ravan’ny zandarimaria ny fikambanan-jiolahy nandroba fiara nitondra PPN tao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Mahavelona-Foulpointe, afakomaly. Kamiao lehibe iray nitondra entana hamidy niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo. «Nihanika avy hatrany tamin’ny vatan’ilay fiara izy ireo ary nanararaotra naka ny entana ny alin’ny alakamisy 28 mey lasa teo», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny […]
Taratra
Maty tao amin’ny reniranon’Ikopa : Vehivavy nitambotsotra teo am-panasana lamba
Namoy ny ainy rehefa nitambotsotra tampoka teo am-panasana lamba ny renim-pianakaviana iray 55 taona, omaly maraina, tetsy amin’ny ranon’Ikopa Andohatapenaka. Nianjera izy ka latsaka tao anaty rano ary maty tao. Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty an-drano tao amin’ny ranon’Ikopa, tetsy Andohotapenaka, ampitan’ny Gara Maki, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]
Barean’i Madagasikara : Nantsoina tamin’ny ora farany i Andy sy i Mamisoa
Hifantoka atsy Maroc avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra, anio. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Moulay Abdellah – Rabat ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Lions de l’Atlas Maroc sy ny Barean’i Madagasikara, hanomboka amin’ny 8 ora alina. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, nisy fiovana ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy. Nantsoina […]
SOMBIM-BAOVAO
Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Parc de Princes, ao Paris, renivohitr’i France, ny Paris Saint Germain(PSG), afakomaly. Nankalazaina tao amin’ity kianja ity ny fahombiazan’ny PSG, izay nibata amboara roa tamin’ny Ligue des Champions 2026. Tsiahivina fa tazana tao anatin’ny lanonana ilay Malagasy mpanazatra Barea fahiny, sady mpilalaon’ny PSG […]
Handball – “IHF Trophy” : Nanao pao-droa ny Akio
“Pao-droa”! Lasan’ny Akio Madagasikara avokoa ny amboaran’ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, ho an’ ny sokajy “cadet” sy “junior”, lehilahy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia hatramin’ny alahady lasa teo. Norombahin’ny ekipam-pirenena Akio “cadet”, ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny Nosy La Réunion, tamin’ny isa 40 no ho 30, […]





