Taratra

Fari-piainana : Lavitry ny fampandrosoana i Madagasikara

Marefo avokoa ny ankamaroan’ny rafitra eto Madaga­sikara. Miteraka sakana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy izany. Mbola voafetra ny fitomboan’ny harinkarena satria ambany ny famokaran’ny sehatry ny fambolena, eo koa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, ny fisian’ny loza voajanahary miverimberina, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Mananosarotra koa, […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ireo mpikaroka eo anivon’ny Akademia ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, hanampy ny minisitera sy ny Andrimpanjakana hanisy dikan-teny malagasy amin’ireo taratasy eny anivon’ny sampandraharaha sy biraom-panjakana. Nivoitra izany tamin’ny fanokafana ny Iray volan’ny teny malagasy, teny Tsimbazaza, omaly. Hisy fivoriana voafetra hatao anio ho fanombohan’ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora […]

Depiote Milavonjy Philobert : “Avelao hitarika ny fikaonandoha ny FFKM”

“Efa nilaza ny FFKM fa ha­natanteraka amim-pahamarinana ny fikaonandoham-pirenena. Koa tokony havela malalaka hanao izay fomba hanatanterahiny azy ary havela malalaka handray anjara ny rehetra”. Io no nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Ante­nimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimba­zaza, omaly. Izay tapaky ny besinimaro amin’izany […]

Ombay mitady

  Mazava indray aloha ny fanambaran’ny kolonely, Filoham-panjakana. Tsy hisy velively ny tetezamiitatra. Tapitra hatreo amin’ny fahavitan’ny fifidianana ny iraka izay tarihiny. Midika izany fa ho hazakazaka arahin-tosika ny zava-drehetra manomboka izao. Antony: henjehina hifanojo amin’ny tokony  ho fahataperan’ny fotoam-piasana ara-dalàn’ny filoham-pirenena, voafidim-bahoaka izany. Ny mpitondra ankehitriny rahateo efa iraha-mahita […]