Taratra

Andriamiseza Alain: “Ilaina ny rafitra vonjimaika hanamboarana ny fifidianana”

Manana fomba fijery hafa mihitsy ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim) mahakasika ny fifidianana. “Mila rafitra vonjimaika izany”, hoy Andriamiseza Alain. “Ilaina ny fifampidinihana sy fananganana rafitra vonjimaika ahazoana miara-miasa, hahazoana mamboatra lalàm-pifidianana sy ny rafitra rehetra momba ny fifidianana. Rehefa milamina izay ary […]

Tselatra

Mpitondra moto iray maty tsy tra-drano teny Ambohimangakely, omaly tolakandro. Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza, araka ny filazan’ny nanatri-maso. Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By -Pass Amoronankona, afakomaly maraina. Fiara iray nisongona no nifatratra tamina kamiaobe iray, rehefa niala fiara 4×4. Tratran’ny zandary teny Atsimombohitra […]

Ambohitrimanjaka: Kaporaly sandoka nivaro-basy voasambotra

Kaporaly sandoka ny iray tamin’ny telo voasambotry ny mpitandro filaminana tao Ambohitrimanjaka, ny 29 aogositra teo. Tratra teo am-pivarotana basy PA niaraka amin’ny bala miisa 25. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisian’ireto olon-dratsy ireto. Sarona teo am-pikononkononana hivarotra ny basy miaraka amin’ny bala ireo olona telo. Nohadihadian’ny zandary, nitonona […]

Resa-baolina: tovolahy maty voadaroky ny namany

Niteraka fahafatesana ny ady baolina kitra tao Tsaramandroso, fokontany Anahipisaka, kaominina ambanivohitr’i Belemoka, ny sabotsy teo. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny tovolahy iray. Nisy fifamaliana teo aminy sy ny namany teo am-panaovam-baolina. Savorovoro noho ny fifampihantsiana teo amin’ireo mpilalao no fototry ny olana. Tsy nahatanty ny mpilalao sasany […]

Tsy niova hatrany am-boalohany: Nandrombaka medaly volamena 122 i Madagasikara

Fahombiazana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy. Afa-po ny vahiny. Tratra ny tanjona ho an’ny mpampiantrano, indrindra ho an’ny Atleta: medaly volamena 122.  Medaly 272 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Niakatra 122 ny medaly volamena, raha toa ka 100 ny tamin’ny […]