Taratra

Tsy fandriampahalemana: mpamily taxi miisa telo nisy namono teto an-drenivohitra

Novonoina ! Nariana tanaty lakandrano teny Andraisoro ny vatana mangatsiakan’i  Hery, mpamily taxi. Mangana sy feno ratra ny razana. Mbola teny aminy ny volany. Tafakatra telo ny mpamily taxi nisy namono teto an-drenivohitra tao anatin’ny telo volana. Hery, ilay hita faty teny Andraisoro, omaly maraina no farany. Nampandre ny mpitandro filaminana […]

Slam Media 2023: tsy misy very anjara ny mpiangaly Slam

Tontosaina ny alarobia 27 septambra 2023, eny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Anala­kely, ny fijerena sy fitsarana ireo horonantsarin’ny mpandray anjara amin’ny Slam Media, ao anatin’ny « Slam nationale 14 » 2023. Sokajy iray natokana ho an’ireo tsy afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly izy ity. Raketina anaty horonantsary ny fandraisana […]

ZDS Ankarafantsika : Kaomandy vaovao ny Jly Narivony José Marcellin

Tontosa omaly, tao Maha­janga ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana eo amin’ny Jly Saidi Sylvain Modeste, kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika (ZDS) teo aloha sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Na­rivony José Marcellin. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny lehiben’ny Eta­mazaoron’ireo Tafika, ny […]

Fandrindrana ny fitaterana : nofanina ireo cadenceur

Nomena fiofanana ireo cadenceur miandraikitra ny fandrindrana ny taxi-be eny amin’ny fiantsonana, tamin’ity herinandro ity. Niandrai­ke­tan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy, tamin’ny alalan’ny fitaleavana foibe miandraikitra ny fampiroboroboana ny fampananan’asa (DGPE) ny fiofanana. Teo koa ny fivondronan’ireo kaoperativam-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra. Niompana tamin’ny lafiny fitandroana ny […]

Ankonabe Analavory: mandry andriran’antsy amin’ny fibodoana tany ny mponina

Velon-taraina ny mponina ao Ankonabe, Analavory fa bodoin’olon-tokana ny tany mirefy 1 700 ha izay misy fo­kontany 4 sy ankohonana an’aliny. Nidina nijery ny zava-misy ny filohan’ny vovonana Avotantsika miaraka i Mada­gasikara (AMM), i Masy Gou­lamaly, ny faran’ny herinandro teo. Tsy rariny ny fibodoana satria efa tanindrazan’olona nifandimbiasana tamin’ny ray […]