Tsara fanombohana ny taranja karate, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Medaly volamena 5 sy alimo iray no norombahan’ny karateka malagasy, tamin’ity andro voalohany ity. Tsiahivina fa famaranana 6 no nitranga omaly ka fandresena 5 no azon’i Madagasikara. Ny teo amin’ny sokajy Kumite, vehivavy, […]
Taratra
Lutte libre isan-tarika lahy sy vavy: nifampizarana ny medaly volamena
Nozarain’i Madagasikara sy i La Réunion ary i Maurice, ny medaly volamena teo amin’ny «lutte libre » isan-tarika lahy vavy, teo amin’ny andro farany notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Lasan’ny Malagasy avokoa ny teo amin’ny sokajy 74 kg, nahitana an’i Bienvenu, i Jessy sy i Joe ary Mitantsoa, niampy an’i […]
Tenisy : Medaly volamena 2 no azon’i Madagasikara
Nifarana omaly 31 aogositra, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy, ny fifaninanana tenisy hoan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023. Mitotaly sivy, araka izany, ny medaly azon’ny Malagasy tamin’ity taranja ity, 2 volamena, 4 volafotsy ary 3 alimo. Tsiahivina fa lavon’i La Réunion tamin’ny isa 2 no ho 0 isika ho an’ny lalaon’ny ekipa […]
Baolina kitra : hanao famaranana amin’i Madagasikara i La Réunion
Nahazo ny tapakila hiadiana ny medaly volamena ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Resin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana i Comores. Toy ny tamin’ny taona 2007 ihany ny famaranana ny taranja baolina kitra ho an’ity lalaon’ny Nosy ity. Hiverina hifanandrina amin’i La Réunion indray i Madagasikara, ny sabotsy 2 septambra ho avy […]
Sombim-baovao
Samy tafakatra amin’ny dingana famaranana avokoa ny sokajy lahy sy vavy, taranja volley, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Seta 3 no ho 2 (27-29/29-27/26-24/25-18/15-11) no nandresen’i Madagasikara an’i Maurice, sokajy vehivavy. Seta 3 no ho 0 kosa no nandavoan’ny ekipa malagasy an’i Seychelles, sokajy lehilahy. Hatao amin’ity zoma ity […]




