Nanambara ny haha kandidà azy ho filoham-pirenena koa Raobelina Andry, miaraka amin’ny antoko Anjomara rivo-baovao (ARB). Mpilatsaka hofidina faha-15 izany izao izy. Nambarany tamin’izao filankevitra nasionalin’ izy ireo izao fa tsy afaka ny mbola hizaka 5 taona manaraka ao anatin’ny fifandroritana politika, miteraka fihemorana toy izao ny firenena. “Tsy maintsy […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Skual, D’yem. Nodimandry teo amin’ny faha-32 taonany Rakotonirina Mamy Lalaina Thierry na Skual, ao amin’ny tarika D’yem. Ankoatra ny fihirany tao amin’ny tarika D’yem, nanao hiram-piderana ihany koa izy. Ny zoma izao no hiala eny an-tranony, eny Namontana ny razana, ary hoentina any Ambositra. Ny sabotsy kosa no handevenana azy […]
Fanentana lanonana – Kabary: 10 taona nampianarana i Rado Havozo
Mpampianatra kabary eo anivon’ny Havozomanitra Mikabary i Rado Havozo. Mandia ny faha-10 taona ny nanatontosany izany. Homarihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa io vanim-potoana io, ny 3 septambra izao, eny amin’ny sehatra maitson’Ambohimahitsy. Manomboka amin’ny 1 ora, hiaka-tsehatra ny tarika Diary. Amin’ny 2 ora latsaka fahefany, fanombohan’ny lanonana hafanain’ny tarika Gasikara […]
Seho any ivelany: « Indray mandeha liana ny Malagasy », hoy i Benja R.
19 taona nonenana any ivelany i Benja Randrianary. Mpihira sady tomponandraikitry ny tarika Ny Mino. Milaza ny fahitany ireo tarika mivahiny any an-toerana sy ny Malagasy mandray izany. Gazety Taratra (*): Amin’ny maha olon-tsotra anao, nanao ahoana ny nandiavana ny 20 taona latsaka kely nonenana taty ivelany ? Benja Randrianary (-): […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra ny haha kandidà ho filoham-pirenena azy Randrianasoloniaiko, tany Toliara, omaly. Nambarany fa ilaina firaisan-kina izany ka hatambatra ny hery. Antony ny fahatsapany fa mendrika fiainana tsara ny vahoaka. Manana adidy amin’ny ho avy ny tenany. Efa nahazo tsodrano tamin’ireo olobe ara-panahy sy ara-drazana koa izy. “Tsy hanao valifaty ary […]




