Nifarana, omaly, tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy ny fifaninanana « doubles » lahy sy vavy amin’ny taranja tenisy, ho an’ny lalaon’ny Nosy 2023. Miisa efatra ny medaly azon’ny Akomba de Madagascar, omaly, volamena 1 sy volafotsy 2 ary alimo 1. Ho an’ny vehivavy, norombahan’i Voavy Mitia sy Ranaivo Mialy ny medaly volamena rehefa […]
Taratra
Kitra – Barea de Madagascar: tapitra hatreo ny lalaon’ny Nosy ho an’i Fabien Boyer
Nanatanteraka fivoriana tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny kaomisionina misahana ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja baolina kitra. Tsy afaka manohy ny fifaninanana i Fabien Boyer. Taorian’ny antsapaka ho an’ny manasa-dalan’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny taranja baolina kitra, nisy ny fivoriana nataon’ireo kaomisionina miandraikitra ny baolina kitra, tetsy amin’ny kianja Barea […]
Sombim-baovao
Tratry ny areti-kibo i Sidonie Fiadanantsoa, omaly alatsinainy. Noho ny sakafo nohaniny no voalazan’ny loharanom-baovao fa nankarary azy. Tsy izy irery fa saika tratry izay avokoa ireo tao amin’ny taranja atletisma. Efa notsaboina izy ireo ka afaka ny hiatrika fifaninanana anio, alarobia. Nihazakazaka ho an’ny Nosy La Réunion, i Hajatiana […]
Lomano : nahavita fahagagana ny mpilomano malagasy
Tsy nampoizina ny vokatra azon’ny atleta malagasy, eo amin’ny taranja lomano, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy. Raha toa ka medaly tsy mihoatra ny 5 no noeritreretina ho azon’i Madagasikara, eo amin’ity taranja ity, efa tafakatra 10 amin’izao fotoana izao ny medaly eo am-pelan-tanana, hahitana medaly volamena 3, volafotsy 1 ary alimo […]
Lohalaharana hatrany: Medaly volamena 66, volafotsy 33 ary alimo 37 ho an’i Madagasikara
Lohalaharana hatrany i Madagasikara amin’ny filaharana ankapobeny. Medaly volamena 66, volafotsy 33 ary alimo 37 no azon’ireo Malagasy mandray anjara. Teo amin’ny taranja fibatana fonjamby, nifarana omaly ny fifaninanana ao anatin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Lohalarana i Madagasikara izay nahazo medaly 56 be izao. Medaly volamena 34, volafotsy 12 ary […]




