Namoaka filazana ny oniversiten’i Fianarantsoa fa hitsahatra ao anatin’ny 15 andro ny fampianarana, mba hahafahan’ireo tanora mihanoka ny lalaon’ny Nosy sy mandray anjara amin’izany am-pilaminana eto Antananarivo. Nanomboka ny 25 aogositra teo io fiatoan’ny fampianarana vonjimaika io. Maimaimpoana ny fanaovana « échographie obstétricale » ho an’ireo renim-pianakaviana mitondra vohoka, ao amin’ny INSPC […]
Taratra
Iray volan’ny aretina Alzheimer : mila tohana ireo ankohonana manana marary
Volana eran-tany iresahana ny aretina alzheimer ny volana septambra. Hanatanteraka dinika tora-po natokana ho an’ireo fianakaviana nitaiza na mitaiza ny havany, voan’ny aretina Alzheimer na ny aretina mitovy amin’izany ny fikambanana Masoandro mody, ny 2 septambra izao, eny amin’ ny foiben’ny fikambanana eny Mahazoarivo. Natao hitsinjovana indrindra ireo fianakaviana misedra […]
Antsapanana : mandà ny hiverina an-tsekoly ny mpianatra
Sahiran-tsaina ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Antsapanana, disitrikan’ i Brickaville, amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra, taom-pianarana 2023-2024 izao. Betsaka amin’ireo mpianatra eny anivon’ ny CEG anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsapanana no milaza amin’ny ray aman-dreniny fa tsy hiverina an-tsekoly intsony. Voalazan’ny ray aman-dreny maromaro fa nitovy avokoa ny […]
Olan’ny oniversite : miantso fifampidinihana sy fifanomezan-tanana ny Mesupres
Tsy mbola tena tony ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Miantso fifanatonana eo amin’ireo tomponandraikitra mahefa ny Mesupres hisian’ny filaminana sy hampandroso ny fampianarana. Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) ny alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera, manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny herinandro teo. […]
Seho sehatra ho an’ny tanora: « Tsy ampy ny fotoana… », hoy ny mpandray anjara
Mitohy mifanindry an-dalana amin’ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, ato anatin’izao lalaon’ny Nosy izao ihany koa ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora. Tsy nahasakana ireo tanora mandray anjara amin’ity taranja iray ity ny fahasamihafana eo amin’ny maha izy ny nosy tsirairay. “Tsy ampy ny fotoana hifampizarana sy hifanakalozana eo amin’ny samy tanora” hoy […]




