Notanterahina omaly, teny amin’ny Arena Ivandry, ny seho an-tsehatra ho an’ny tanora, ato anatin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Ireo tanora avy ao Comores no nisantatra ny sehatra, narahin’ny avy ao Maldives, ny tontolo andron’ny omaly. Tao anatin’ny hafalina sy haravoana tanteraka no nahatontosan’izany rehetra izany, taratra teny amin’ny endrik’ireo […]
Taratra
Atletisma: hiatrika famaranana avy hatrany i Nanie
Hanomboka anio ny fifaninanana eo amin’ny taranja atletisma. Eny amin’ny kianja Alarobia, no hanatontosana izany. Hisantatra ny fihaonana ny famaranana eo amin’ny halavirana 10 000 m, sokajy vehivavy. Manana solontena telo mirahavavy ny Malagasy, amin’ity. Anisan’izany, i Emma, tompondakan’i Madagasikara farany, miampy an’i Chantal sy i Oliva. Raha tsiahivina, efa […]
Badminton: resin’i Maurice i Madagasikara
Nihintsana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny ekipa malagasy isan-tarika, lehilahy, teo amin’ny taranja badminton. Fihaonana notanterahina omaly alatsinainy, teny amin’ny kianja mitafo Zone Forello Tanjombato. Niondrika tamin’ny isa, 3 no ho 0, nanoloana an-dry zareo maorisianina, i Julio Keman sy i Tianarivo ary i Tokinirina. Efa nampoizina ihany ny vokatra […]
Tenisy: tafita amin’ny famaranana ny Akomban’i Madagasikara
Nahazo fahombiazana avokoa ny ekipam-pirenena malagasy Akomba, na teo amin’ny “simple”, lehilahy sy vehivavy. 100% Malagasy ny hihaona amin’ny famaranan’ny “doubles”, vehivavy. Horakoraka sy hafalina no nandraisan’ireo Malagasy mpijery ny Akomban’i Madagasikara, teny Ambohidahy, omaly. Tonga amin’ny lalao famaranan’ny taranja tenisy, ho an’ity lalaon’ny Nosy 2023, andiany faha-11 ity, ny […]
Sombim-baovao
Naharitra roa ora mahery ny fifanandrinan-dRanaivo Mialy sy i Girarde Emmanuelle, vehivavy mpilalao Tenisy Renioney, omaly, teny Ambohidahy. Tafavoaka mpandresy tamin’izany ny Malagasy rehefa nanenjika isa sy naka ny tapakila hanaovana ny manasa-dalana. Marihina fa i Mialy, anisan’ny mpilalao niatrika ny Billie Jean King, tamin’ity taona ity. Nifarana, omaly, teny […]




