Taratra

Korea Atsimo sy Madagasikara : hamadika ny otrikarena ho lasa harena

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny fanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny governemanta malagasy sy ny repoblikan’i Korea Atsimo. Hana­mafisana ny fahalalahan’ireo orinasa koreanina hampiasa vola eto Madagasikara. Mba hampivoarana ny fitrandrahana angovo sy ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara. Manana tombony goavana i Madagasikara noho ny fananany harena voajanahary ary antoka […]

Tetikasa “Lead asa 400”: mponina 2 tapitrisa hisitraka herinaratry ny Jirama

Anisan’ny paikady hampitomboana ny ambaindain’ny orinasa Jirama ny fanitarana ny tambajotra. Kendrena ny hampidirana jiro any amin’ireo faritra na toerana tsy mbola misitraka herinaratra. Tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha Rajoelina, ny hoe «Herinaratra ho an’ny rehetra». Anisan’ny hanatanterahana izany ny tetikasa “Lead asa 400” sy ny PDDR-CERC. Mamatsy vola […]

Akademia Miaramila : nivoaka ny andiany “amiraly Didier Ratsiraka”

Tontosa tao amin’ny Aka­demia Miaramila (Acmil) An­tsi­rabe, omaly, ny lanonana ara-miaramila « Fandrese­na ». Famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany mivantana faha-44 misalotra ny anarana “amiraly Didier Ratsiraka”. Teo ambany fiahian’ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sady filoha faratampon’ny Foloalindahy. Teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Miisa 58 mianadahy, ahitana vehivavy […]

Mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy : nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely

Nitsidika ny Lapan’ny Tanàna Analakely ireo delegasiona avy amin’ny firenena 7 mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, ao anatin’ny “Volet Jeunesse”, omaly. Nanangan-tsaina niaraka tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Anta­nanarivo Reni­vohitra ihany koa izy ireo. Ankoatra ny fandraisana anjara amin’ny lalaon ‘ny Nosy atao eto amin’ny firenena. Anatin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo koa […]