Taratra

Boriborintany II : 400 ireo nisitraka ny fitsaboana manakaiky vahoaka

Nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana anio zoma ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany faharoa. Tanterahina eny amin’ny fokontany Andohani­mandroseza. Nahatratra 400 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany hatry ny omaly, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Ahitana tolotra samihafa mandritra ny hetsika. Anisan ’izany, […]

Fitantanana loza : nitsidika ny BNGRC ny ekipan’ny Sadc

Nitsidika ny foiben’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) ny delegasionan’ny SADC nandritra ny fandalovany eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Iray amin’ireo firenena andalovan’ny rivodoza matanjaka i Madagasikara tao anatin’ny roa taona farany. Na mafy aza ny fidiran’ny rivodoza teto amintsika, tsy mafy loatra ny fiantraikany noho […]

Sakoroka teny Ankatso: tora-bato sy doro kodiarana, nirefodrefotra ny grenady

Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire». Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy […]

« Village Culturel des jeux des îles »: mahaliana ny mpitsidika ny kolontsain’ny nosy hafa

Efa nisokatra, ary azon’ny rehetra tsidihina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, ny « Village Culturel des Jeux des îles », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Toerana ahitana asa tanana sy haikanto samihafa. Ankoatra izay, misy koa ny hetsika ara-kolon­tsaina sy zavakanto, iarahana amin’ireo mpanakanto avy amin’ny nosy manodidina. Tanjona amin’izao ny hampiala voly sy hitondra ny mpitsidika hitety […]

Tsipy kanetibe : nahazo alalàna tamin’ny FIJP ny fifaninanana

Afaka ny ahiahy sy ny tebitebin’ny rehetra mpilalao sy mpankafy ny tsipy kanetibe. Ny alarobia lasa teo, nandefa mailaka ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ka nanome alalàna ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) fa afaka hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity, ny taranja tsipy kanetibe. Raha tsiahivina, nosazian’io rafitra iraisam-pirenena io ny […]