Taratra

Mpilalao tantara amin’ny radio: hiaka-tsehatra eny Ambatomirahavavy ny Iray Fy’Art

Hitohy eny Ambatomira­ha­vavy indray ny seho hotanterahin’ny tarika Iray Fy’Art. Ha­tao ny sabotsy 9 septambra izao izany, eo amin’ny kianjan’ny CEG eny an-toerana, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany. Holalaovin’ireto mpilalao tantara amin’ny radio ireto eny an-tsehatra amin’izany “Ny herin’ny vola”, nosoratan’i Niravo Randria. Ahitana taratra ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny […]

Rovan’i Madagasikara : azo vidina amin’ny « Ticket place » ny tapakila

Tonga nijery ny fizotran’ny fampiasana ny tapakila nomerika, amin’ny fidirana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka omaly ny fampiasana ity fomba fiasa vaovao ity. « Fanomezana endrika tsara sy fanamorana ary fampirindrana ny fitsidihina ity vakoka manana ny maha izy azy ity no tanjona […]

« Festival Temps Fort Danse » : fotoan-dehibe ho an’ny mpandihy ny hetsika

Hianoka hetsika goavana ny fianakaviamben’ny mpandihy, afaka andro vitsy. Fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa, seho goavana sy fampianarana. Ireo no handrafitra ny 3 herinandron’ny hetsika. Tontosa omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny « Festival Temps Fort Danse 2023”. Eny […]

Ambohidratrimo Marovatana : vohitra nanana ny naha izy azy, anatin’ny tantara.

Vohitra nipoiran-dRadama voalohany Ambohi­dra­trimo, ankoatry ny maha anisan’ ny ao anatin’ny vohitra roa am­bin’ny folo azy. Efa tao anatin’ny Imerina efa-toko ihany koa izy talohan’izany. Vohitra iray tao anatin’ny Imerina efa-toko, ny vohitr’Ambohidratrimo Marovatana. Ny Mpanjaka Ratrimo sy Ramorabe ary Rambolamasoandro no nifandimby nanjaka teny, tamin’ny taonjato faha-16 sy faha-17. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 35 000 ha ny ala arovana any Tsitongambarika, faritra Anosy, tohanan’ny Fon­da­tion Fondation Hempel. Mitantana azy ny fikambanana Asity Madagasikara-Birdlife. Anisan’ny asa atao ny fanamafisana ny fiambenana sy ny fanaraha-maso, ny fanatsaarana ny velon-tenan’ny mponina. Nahatratra 27 416 ny isan’ny olona nivezi­vezy tao Ankify, Hell-Ville, Ambatolaoka, Ambondrona. Nanatrika ny […]