Nanambara ny tomponandraikitry ny ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra (Cntemad) eto Madagasikara fa hifarana ny 22 septambra ho avy izao ny fandraisana ny tatitra nataon’ny mpianatra L3 nandritra ny fizaran’asa teny anivon’ny orinasa nosafidiny. Fepetra takina hisitrahana ny mari-pahaizana “Licence” ny famolavolana tatitra. Ho an’ny lalam-piofanana Toekarena sy Lalàna, tsy […]
Taratra
Fampianarana ambony : manampy ny fisafidianana lalam-piofanana ny fitsidihana hairanty
Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritany enina ary samy mieritreritra ny zavatra tiany hirosoana eny amin’ny fampianarana ambony ireo tanora nahazo mari-pahaizana. Ho an’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana, tsy mbola nifarana ny taom-pianarana 2022-2023 noho ny fitokonan’ny mpampianatra mpikaroka. Oniversite telo : eto Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsiranana […]
Fifidianana filoham-pirenena: vehivavy kandidà fahatelo, Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle
Kandidà fahatelo nanambara fa anisan’ireo hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena, Rafolofonoroniaina Julia Mickaëlle (Mishah) taorian’i Masy Goulamaly sy Annick Ratsiraka. « Fitiavan-tanindrazana no tena nanosika ahy hanapa-kevitra hijoro ho an’ny firenena fa tsy fitiavan-tseza. Tsy kilalao ny fiainam-bahoaka satria firenena no resaka eto », hoy izy. Nambarany fa raha hiaina amina kajikajy politika […]
Filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena: ho hentitra amin’ny dosien’ireo kandidà ny HCC
Hiasa tsy an-kiato, ary hatramin’ny fiandrasan-draharaha rehefa faran’ny herinandro ny HCC etsy Ambohidahy, amin’izao fandraisana ny antontan-taratasin’ny kandidà ho filoham-pirenena izao. Efa nanomboka, omaly, ny fisokafan’izany ary hitohy hatramin’ny 6 septambra ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent fa ho hentitra izy ireo amin’ny fanamarinana sy fijerena ny […]
Tsangan-kevitra sy tsangan’olona
Tsy nampoizina? Na nahabe resaka tetsy sy teroa aza ny amin’ny anto-bola 200 tapitrisa Ar firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika, mitombo an-dalana ireo kandidà. Tsy arakaraka ny hoe fanakantsakanana ny raharaha? Misy hatrany ny manam-bola, manohana, mahafoy… Ady fiady io, politika. Mby amin’ny hoe ny fahaiza-mandamina no entina miady. Tsy mbola […]




