Taratra

Judo-“IBSA World Games” : hifaninana rahampitso i Nampoina, judokas malagasy jamba

Nanainga omaly, nihazo an’i Birmingham, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena “multisports” natokana ho an’ny jamba, Rakotoarivelo Nampoina Daniel. Hiakatra an-tsehatra rahampitso izy. Tanteraka ny fanirian’i Nampoina. Hiatrika ny “IBSA World Games”, hatao any Birmingham ity judokas malagasy jamba ity. Rahampitso izy no hifaninana, eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 60 kg. Hotontosaina […]

INDRAY MIJERY

Mampahafantatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa foana ny tsenan’i Mahamasina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao ka ilazana ireo mpivarotra rehetra. Antony, anisan’ny hiatrehana ny lalaon’ny Nosy ny kianja Barea etsy Mahamasina sy ny manodidina azy. Miverina amin’ny laoniny izany, ny 7 septambra. Iandraiketan’ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazana sy ny […]

Fampananan’asa ny tanora : napetraka ny fandaharanasa lasitra

Natao, omaly, ny atrikasa momba ny fandaharanasa lasitra ho fampananan’asa sy fandraharahana ho an’ny tanora eto amintsika. Nia­rahan’ny fanjakana malagasy sy ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) teny Anosy, izany. Nanotrona tao koa ny sendikàn’ny mpiasa sy ny mpandraharaha eto amintsika. Tanjona ny hijery ny olana tsy ahazoan’ny […]

Fampianarana mitory teny : mitsangana ny sekoly The 3M Preach Institute

Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny toeram-pampianarana mitory teny The 3M Preaching Institute, etsy Ambatoroka. Sekoly ambony mampiofana olon-tsotra na mpitandrina na ireo te handalina ny Baiboly hitory teny ity vao nisokatra ity. 2 taona ny faharetan’ny fampianarana ary efa mahatratra 22 ireo mpianatra mandranto fianarana ao, amin’izao andiany voalohany […]

Fampianarana ambony : nanidy vavahady ny Seces, hihamafy ny fitakiana

Antso an’efitra ihany ny an’ny Seces, sampana Antananarivo hatramin’izao. Hihamafy hatrany ny hetsi-pitakiana. Nanakatona vavahady izy ireo, omaly. Naneho tsy fankasitrahana ny Seces sampana Antananarivo, omaly, ka nanomboka nanidy vavahady nandritra ny ora iray. Napetraka ihany koa ny sora-baventy milaza fa ny oniversite sy ny foibem-pikarohana dia mitokona. Manao zinona […]