Taratra

Toamasina – Fi.Mpi.Ma : hofaranana anio ny « Herinandron’ny kabary »

Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ny kabary malagasy. Ho­faranana, anio, any Toama­sina ny « Herinandron’ny Ka­bary » andiany faha-17. Efa nisantatra tsikelikely io hetsika famaranana io ny fandaharam-potoana notontosaina, omaly. Fitsidihana ireo toerana manan-tantara sy faka iorenan’ny kolontsaina ma­lagasy any amin’iny faritra atsinanan’i Madagasikara iny. Tafiditra tao anatin’izany ny seranan-tsambo. « Hianoka ny […]

« Slam nationale 14 » : mitohy ny fifaninana isam-paritra

Tontosaina anio, ny fifaninanana hamaritana ny hisolo tena ny tanànan’Antalaha sy Toamasina, amin’ny « Slam nationale 14 ». Eny amin’ny Alliance Française, amin’ireo tanàna ireo no hanatanterahina izany fifaninanana izany. Ny Madagaslam, miaraka amin’ny vondron’ny mpiangaly Slam amin’ireo toerana ireo no mikarakara ny hetsika. Olona roa no andrasana sy hisolo tena ny […]

« Festival Sôrogno » andiany faha-24 : handrasan’Ambanja ny sehon-dry Dadi Love, Sisca, Lico …

Hetsika mandritra ny efatra andro ary fampisehoana mandritra ny 4 alina. Hivelatra kokoa ny « Sôrogno” ao Ambanja amin’ity, raha ny fandaharam-potoana sy ny fanomanana azy. Tsy mbola tapaka mihitsy isan-taona ! Hiditra amin’ ny andiany faha-24 ny « Festival Sôrogno » fanao ao Ambanja amin’ity taona ity. Hotontosaina ny 24 hatramin’ ny 27 […]

Harem-pirenena : mihena ny isan’ny omby eto Madagasikara

Omby, harem-pirenena anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara hatramin’ny taonjato maro. Nalaza ny hoe maro anisa ny omby no ho ny olombelona. Tantara sisa izany amin’izao fotoana. Mbola mipetraka ireo tsenan’omby goavana eto an-tanindrazana. Misy ny tsenan’omby le­hibe indrindra eto Ma­dagasikara ny any Atsi­mo, lalam-pirenena faha-7, ao Ambalavao. 56 km avy eo […]

FANTINA sy FINTINA

Nanameloka ny lainga afafy sy tsaho manodidina ny fanadihadiana amin’ny “Raharaha Romy”, any Londres, ny antoko Freedom. “Manameloka ny fanaovana bontolo ka hanendrikendrehana ny filohan’ny Repoblika ho tsy afa-miala amin’ny mety ho heloka nataon’ny sasany izahay”, hoy izy ireo. Nanolo-kevitra ny tokony hamoahana didy hampiasana ny rejisitry ny fokontany amin’ny […]