Teny Belanitra omaly, no nanambaran’ny filohan’ny Vovonana Avotantsika miaraka i Madagasikara (AMM), Masy Goulamaly, fa anisan’ny ho kandidà hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena ny tenany. “Manoloana ny fahoriana mianjady amin’ny firenena dia mahatsiaro manana adidy aho. Amin’ny maha reny ahy dia tsapako ny maharary ny zanaka ka nandresy lahatra ahy […]
Taratra
Mafana ny tanàna
Mafana, mafana! Ny eto an-tanàna. Mangotrakotraka ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Efa somebiseby ny isam-paritra mandray ny afo Olympika. Anio fety be ao an-drenivohitr’i Matsiatra Ambony. Miakatra tsikelikely izany hamonjy an’Antananarivo izay hihanoka fety sy fifaninana isan-karazany. Ho ambohipihaonan’ny vahiny avy any ivelany sy avy ato anatiny. Mafana ihany […]
Filoha Rajoelina tany atsimo : “Miroso isika ary tsy misy hahasakana izany”
Nambaran’ny filoha Rajoelina amin’izao fitsidihany ny any atsimon’ny Nosy izao ny fampandrosoana tanterahin’ny fanjakana. Mazava ny lahateniny tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. “Azontsika atao tsara ny manorina, ny manangana, ny manamboatra, ny mandroso na inona olana eo amin’ny fiainantsika. Tsy mahasakana antsika izany fa tsy maintsy miroso isika ho fampandrosoana an’i […]
Tselatra
Trano fivarotana misy rihana iray niharan’ny firehetana tao Antohomadinika afovoany, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandraraka “diluant” tao ambony rihana ny tompon-trano ka niraraka tampoka tamin’ny afo. Niteraka ny fahamaizana tao ambony rihana izany. Voafehy ny fokonolona ny firehetana. Raim-pianakaviana iray noleran’ny jiolahy antsy teny Anosizato Andrefana, afakomaly alina. Lasan’ny […]
Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana
Naiditra am-ponja ao Moramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro […]




