Olona iray namoy ny ainy voadonan’ny kamiao tao Ilafy, Avaradrano, afakomaly. Tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny tamboho io fiarabe io. Olona roa voafaoka ka maty tsy tra-drano ny iray. Nentina namonjy hopitaly ny iray naratra mafy. Pasitera amina fiangonana zandriny iray tratra nangalatra moto tao Ambohimangakely, afakomaly. Very moto ny lehilahy […]
Taratra
Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra
Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohinambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andranotapahana, ny 4 jona lasa teo, ny […]
Nanandrana namono tena : zaza enin-taona kendan’ny tady fanahazan-damba
Zava-doza ny nanjo ilay zazalahy kely vao enin-taona. Matin’ny tady fanahazan-damba izy rehefa nanao kilalao, nisary hananton-tena. Nampalahelo ny nanjo ity fianakaviana iray tao Toamasina. Maty nihantona teo amin’ny tady fanahazan-damba eo an-tokontany ny zaza vao enin-taona, ny talata lasa teo. Maty vokatry ny fanandrakandramana amin’ny maha ankizy azy. Nanao kilalao […]
Hamonjy fahoriana : saika lasan’ny jiolahy ny entana rehetra
Voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly tolakandro, ny jiolahy nangalatra entan’olona teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy. Naharay antso ny polisy fa misy jiolahy iray nihorakorahan’ny olona tratra teo am-pangalarana entana. Tonga ara-potoana ny polisy, voamarina ny fisian’ ny olon-dratsy. Tratra teo am-pibatana sakaosin’olona iray izy. Olona handeha hamonjy fahoriana ity saika […]
Faha-100 taonan’ny mpanoratra Nihry-Lanto : “Mendrika hampitaina amin’ny vahoaka malagasy ny toe-tsainy”
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fankalazana ny faha-100 taonan’i Nihry Lanto. Vory tao amin’ny Tranombokim-pirenena ny fianakaviana, notronin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Izy ireo no toko telo nahamasa-nahandro ny fankalazana, ho fampahafantarana ny mpanoratra sy ny sanganasany ho an’ny mpiara-belona […]




