Taratra

Faritra Anosy : nohamafisina ny fahaiza-manao momba ireo sehatra asa tekinika

Nikarakara fampiofanana ireo sehatra asa tekinika sivy ny Tekfutura. Nampahafan­tarina ny herinandro lasa teo, tany amin’ny faritra Anosy, ny antontan-kevitra enti- manofana momba izany. Notantera­hina teny amin’ny misinitry ny varotra sy ny indostria tany Taolagnaro ny lanonana ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tondrozotra sy dingana hampivelarana ny sehatra asa teknika eto […]

Tetikasa tafita : hiditra amin’ny andiany fahatelo

Nitondra vokatra miabo ho an’ny fanabeazana fototra ny fampiharana ny tetikasa “Tafita” tao anatin’ny taona maromaro. Hiditra amin’ny andiany fahatelo izany, ankehitriny. Nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa “Tafi­ta”, andiany voalohany, teto Madagasikara. Efa andalam-pamaranana kosa ny tetikasa andiany faharoa amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hampandrosoana ny fanabeazana eny ifotony […]

TARATRY ny KANTO

Manaraka fitsaboana i Fanaiky. Tsy nandray anjara tamin’ny “Jazz @ Tohatohabato izy, noho ny antony ara-pahasalamana. Nahatsiaro azy kosa anefa ny fianakaviamben’ny jazz sy ireo mpankafy mozika rehetra ny alahady teo, tetsy Analakely. Nisy ny fitia tsy mba hetra nifanentanana, hanampiana ity mpanakanto ity amin’ny fitsaboana arahiny. Nomem-boninahitra i Bivy. […]

Fanokafana ny « Herinandron’ny kabary » : nasongadin’ny Fi.Mpi.Ma ny maha izy azy

Nosokafana ny 14 aogositra teo, tao Toamasina, ny « Herinandron’ny kabary ». Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Hetsika nahatarafana ny maha izy azy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Fi.Mpi.Ma, zokiny indrindra sady maro mpikambana indrindra amin’ireo fikambanana miaro sy manandratra ny kabary malagasy. Diabe nialohavan’ny mpitsoka mozika, niala teo amin’ny « La Mairie » […]