Taratra

Andrianarisoa Romiary : nesorina tsy ho talen’ny kabinetran’ny Presidansa

Enim-bolana taorian’ny nanendrena azy ho talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, nesorina i Andrianarisoa Romiary. Fikasana hanao kolikoly no antony. Vita hatreo ny ny fiaraha-miasa amin’ny Fiadi­diana ny Repoblika sy ny talen’ny kabinetra, Andrianarisoa Romiary. Dimy andro taorian’ny nisamboran’ny mpanao famotorana anglisy azy tany Londres, nilatsaka ny didy fanafoanana ny fanendrena. […]

VAOVAO TAMBATRA

Nametrahana jiro cobra eny Ankorondrano sy eny amin’ny village Voara Andohatapenaka, entina hanazavana ny lalana hivezivezen’ny rehetra, in­drindra amin’ny alina.. Maro anefa ireo faritra niharan’ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly. Betsaka ireo mpiara-monina nitondra faisana indray amin’ny hafitsoky ny orinasa Jirama. Kaoperativa amina kaominina 13 avy ao Bongolava no notolorana zezika «sulfate […]

Savonnerie Tropicale : nodimandry Ramaroson André

Misaona ny tontolon’ny indostria malagasy. Nodi­mandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “savonnerie tropicale”, Ramaroson André. Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ity mpandraharaha ity. Mpamaky lay amin’ny fananganana orinasa mpanao savony teto Madagasikara izy. Mpandraharaha niady hatrany ho an’ny fampandrosoana ny orinasa malagasy. […]

Fampandrosoana lovain-jafy : tranon’ny diplaomasia maitso

Miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), sy ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Rindra », ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Entina hiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fiaraha-miasa. Manana tanjona hametrahana fandrindran’asa hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera. Hanatan­terahana izany ny tohana […]

« Drafitrasa Fia mora » : Jifaina 4 000Ar ny kilaon’ny trondro

Mbola ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano noho ny tsy fahefa-mividy sy ny antony samihafa. Natomboka eto an-drenivohitra sy haparitaka amina faritra maro ny drafitrasa « Fia mora », hanovana sy hampirisihina ny fihinanana trondro. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ilay drafitrasa « Fia  mo­ra » hanampiana sy hampirisihina ny Malagasy hihinana trondro. Vidiana […]