Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy roa voalaza fa dahalo. Tsy faly ny namany. Nanafika borigadin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Efatra hafa namoy ny ainy. Olona efatra maty, nisy naratra noho ny fifampitifirana teo amin’ny zandary, niaro ny biraony sy ny fokonolona mpanafika, tao amin’ny kaominina Tsimazava, distrikan’i Mahabo, faritra […]
Taratra
Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : nahazo vary milanja 1 600 t ny malagasy
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ ny governemanta japoney, ho tombontsoan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny drafi-pampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny tetikasa nifanaovan’ny governemanta roa tonta sonia, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla sy ny masoivohon’i Japon eto Madagasikara, Abe Koji. Toy ny isan-taona, nitondra ny anjara birikiny ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa niverina omaly ihany ny famatsiana ny herinatra ao Ambohimanambola mankao amin’ny « sous-station » Ambodivona, izay nanapaka ny famatsiana herinaratra ho an’ny faritra Atsimondrano. Tsiahivina fa nisy fiantraikany mivantana tamin’ny famatsian-drano ny zava-nisy, noho ny fampiakarana tosika « surpresseur » miankina amin’ny herinaratra. Nahazo tohana 17 tapitrisa Ar ny kaoperativa Miara-mizotra, ao Ihosy, […]
Fiaraha-miasa : vonona hanampy an’ i Madagasikara i Japon
Tonga nitsidika ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny amin’ ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, ny zoma teo, ny delegasiona avy amin’ny firenena japoney. Tao anatin’izany ny masoivohony miasa eto an-toerana, Abe Koji, ny minisitra japoney misahana ny Toekarena sy ny varotra ary ny indostria. Tao ihany koa ny tale jeneraly misahana ny politikan’ny […]
Angovo azo avaozina : napetraka ny centrale solaire manana tanjaka 2,4 MWC
Notokanana ny sabotsy teo ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Antsiranana. Olona aman’aliny no hisitraka ity fotodrafitrasa lehibe ity. Ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiasana ny angovo azo avoazina mba hisitrahan’ny daholobe herinaratra. Napetraka ao Ankorikihely, kaominina ambanivohitra Ramena, distrikan’Antsiranana faha-II, ny sabotsy teo, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ ny […]




