Ny fanjakana no hiantoka ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana “freeze tag”, ilaina amin’ny ady amin’ny Covid-19, izay fanampiana tsy averina avy amin’ny Banky iraisam-pirenena. Fitaovana hanaraha-maso ny maripanan’ny akora iray mila fampangatsiahana toy ny vaksiny sy ny fanafody hafa ilaina amin’ny fitsaboana izany. Nifarana ny […]
Taratra
FIANARANTSOA : niakatra ho 57,89% ny vokatra, bakalorea
Nivoaka, omaly, ny valim-panadinana bakalorea 2023 ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa. Mahatratra 57,89 % ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny sy ny sampana teknika miaraka. Niakatra ny taham-pahafahana raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa satria 43,95% izany. Miisa 19 985 ireo nahazo ny mari-pahaizana bakalorea tamin’ireo 34 521 nisoratra anarana. Ho an’ny fampianarana ankapobeny, […]
VELIRANO FAHA-5 : vita ny CSB II Manongalaza
Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ho an’ny vahoakan’Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB II manara-penitra ao Manongalaza. Toeram-pitsaboana hiasa sy handray marary avy hatrany. Fitaovana vaovao sy raitra avokoa no ampiasaina ao amin’ity CSB II ity, araka ny fanazavana. Anisan’izany ny efitrano fiterahana, manana fitaovana arifomba fanaraha-maso ny […]
Fananahana ara-pahasalamana : ilaina ampidirina anatin’ny fandaharam-pianarana
Tanora latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% amin’ny Malagasy. Mbola latsaky ny 15 taona ny antsasamanilan’izy ireo, araka ny antontanisan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa). Mbola olana ho an’ny firenena ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora sy ny zo mifandraika amin’izay satria ny 31% amin’ny tovovavy 15-19 taona efa […]
Mondial sokajy vehivavy : notapahin’i Australie ny nofin’i Frantsa
Notanterahina ny sabotsy 12 aogositra lasa teo, ny lalao ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany « Mondial 2023 », taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Lavon’i Australie, mpampiantrano, tamin’ny fandakana « tirs au but » 7 no ho 6 i France, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko 0 no ho 0, nandritra […]




