Taratra

FANEVA IMA: “Sady tsy kandidà aho no tsy manohana olona”

Namaly ny resa-be mahakasika ny haha kandidà, hifaninanana ho filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriantsima Faneva Ima. Nambarany ta­min’ny mpanao gazety, ny sa­botsy lasa teo, tetsy Amparibe fa tsy mieritreritra izany izy. «Ambarako amin’ny fomba ofisialy fa tsy kandidà ny tenako ary tsy manohana olona ihany koa», hoy izy. […]

Amboaran’ny filoha: tafita amin’ny manasa- dalana Antananarivo sy Antsiranana

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, by-pass, ny andro faharoan’ny am­boaran’ny filoha “Coupe du Président” 2023, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalana Antananarivo sy Antsirananana. Marihina fa nomontsanin’Antananarivo, tamin’ny isa 5 no ho 1, i Toliara, raha toa ka nandavo an’i Mahajanga, 3 no ho […]

Sombim-baovao

Nahazo vokatra tsara ny ekipan’Analamanga FC Rouge, omaly, nandritra ny andro fahadimy, fifaninanana D2 Nasionaly. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ ny isa 10 no ho 0, ny FCA Analanjirofo. Marihina fa manana isa 5 ny FC Rouge amin’izao fotoana izao. Mitohy ny fifaninanana ! Afaka 11 andro, hanomboka ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, […]

“IHF Trophy continental”: ratsy ny vokatra ho an’ny Akio

Nifarana ny sabotsy 12 ao­gositra lasa teo, tao Abid­jan, renivohitr’i Côte d’Ivoire, ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny “IHF Trophy continental”, so­kajy zandriny, vehivavy (cadette) sy «junior». Ratsy ny vokatra ho an’ny Akio de Madagascar. Tsy nahazo fandresena mihitsy mantsy ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ireo lalao rehetra nataony. Nametraka azy ireo, […]