Taratra

Seranan-tsambon’i Toamasina : hampiasa ny haitao ara-kajy mirindra

Mbola mitohy ny asa fanatsarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola niaraka tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, ny talata teo. Nanotrona ity fitsidihana ity ny solontenan’ny fadintseranana, ny mpitandro filaminana, ny avy ao amin’ny “Société du port à gestion autonome […]

JIRAMA : mitohy tsy tapaka ny famatsiana solika

Notsindrin’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo, omaly, fa mitohy ny famatsiana solika ny Jirama, hampandehanana ireo milina mamokatra herinaratra. Misy tokoa ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpitatitra solika, toy ny raharaham-barotra rehetra. Nomarihiny kosa fa «taratasy tokony ho nalefan’ny fikambanan’ny mpitatitra solika (APTH) tany […]

Fanarenan-dalana : miisa 43 ny zotra hamboarina eto Antananarivo

Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra ny asa fanarenana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Maharitra 6 herinandro ny fe-potoana hanarenan’ny orinasa ny zotran-dalana iray. Mandeha ny asa ! Manampy ny kaominina CUA sy ny faritra Analamanga amin’ny fanarenana ny lalana potika eto an-drenivohitra, ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Nilaza ny talen’ny […]

Groupement des forces spécialES d’intervention (GFSI) : Sivana manokana ny handraisana ireo miaramila

Manana ny hery vonjitaitra manokana ho azy ny Tafika Malagasy na ny Groupe­ment des forces spéciales d’intervention (GFSI). Miasa mangina saingy efa nahavita iraka maro. Miasa mangina hatrany ny hery vonjitaitra fiandry eo anivon’ny Ta­fika Malagasy, izay manana ny toby famaharany eny Ivato. Mifanome tanana amin’ireo antokon-tafika telo (an-tanety, an-dranomasina […]

FANTINA sy FINTINA

Haneho ny heviny momba ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko UNDD. Hotanterahina eny amin’ny trano fonenan’ny Pr Zafy Albert, Villa Franchise Ivandry izany ary iantsoana ny mpanao gazety. Tsiahivina fa mivoy hatrany ny fampihavanam-pirenena ity antoko ity. Mpanao politika fahatelo, noraisin’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, ny […]