Taratra

Fambolena ho an’ny taona 2025: hampitomboina 1 tapitrisa taonina ny famokarana vary akotry

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny sehatra voalohany. Maherin’ny 7,8% ny taham-piakarana andrasana ka ho maherin’ny 9,5% ny sehatry ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina. Entina hanatanterahana izany ny fampirobo­ro­boana ny teknika « PFUMVUDZA » izay mita­hiry hamandoan’ny tany. Ho ampiasaina eto […]

Indray mijery

Nikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana ilay rivodoza Dikeledi ka mahafaka 25 km isan’ora. Any an-dranomasina avokoa ny rahom-baratra mifandray mivantana aminy. Hiverina hitoetra ny oram-baratra, nanomboka omaly tolakandro, ka mety hanantombo ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany […]

Fiahiana ny maha olona: misy misandoka ny tetikasa “Tsimbina”

Mila mailo ny rehetra satria misy ny mpisoloky manararaotra ny fahasahiranan’ny mponina. Misy mivarotra “puce” fampiasa amin’ny finday izay tsy ara-dalàna amin’ny vidiny 2000 Ar ka milaza fa izay mividy izany “puce“ izany dia hahazo ilay tohana amin’ny tetikasa “Tsimbina”. “Fisolokiana izany”, hoy ny minisitry ny ny Mponina, Razafinjato Aurélie. […]

CHRD Ambalavao: nampiasaina ny Tahirim-pirenena vonjy taitra

Nampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Tahirim-pirenena vonjy taitra (fonds d’urgence) taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny kaominina Iarintsena, hameaux Ambaiboho, Fiana­ran­tsoa, ny faran’ny herinandro teo. Ny tolakandro no nitranga ny loza ka 12 ireo naratra mafy, noraisina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny “kit d’urgence” tao amin’ny CHRD Ambalavao. 18 hafa notsaboina teny an-toerana nampiasana ny […]

Karate any France: nandrombaka medaly alimo i Nombana

Nisongadina indray ny Malagasy tany France. Nan­drombaka ny medaly alimo nandritra ny fifanintsanana Karate, tany Paris, ny sabotsy lasa teo, Raveloarison Nom­bana, Malagasy mpikatroka, ao amin’ny klioba Shoshin Club Vannes France, sokajy seniors, -67 kg. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny katroka ady “kumite” ihany no natao tamin’io fifanintsanana io. […]