Taratra

Fiahiana ny traboina any Toamasina : Mampandry fahalemana ny Foloalindahy

Miatrana efa ho telo andro ao Toamasina, manampy ny efa any an-toerana ireo mpitandro filaminana avy aty Antananarivo. Maherin’ny 600 isa izy ireo izao nahetsika izao. Mazava ny toromarika nomen’ny Praiminisitra lehi­ben’ny governemanta, Rajao­narivelo Herintsalama fa tafi­ditra amin’ny fanamafisana ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana izao hetsika izao. Any an-toerana rahateo […]

Masa-bary maito kitoza

  Raha ny fandaharam-potoan’ny filohan’ny fanavaozana sy ny vaovao avy any ivelany, hisy ny fihaonana amin’ ny filoham-panjakana malagasy sy ny filoha frantsay, raham­pito. Fihaonana izay be mpanaraka tokoa satria handra­sana izay tapaky ny roa tonta mandritra ny dinika. Niara­han’ny rehetra nahalala rahateo fa ny fialana ambany vahoan’ i “reny […]

Frantsa sy madagasikara: hihaona ao Paris ny filoha roa tonta

Hihaona amin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, rahampitso. Anisan’ny ho voaresaka ny mahakasika ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny rivodoza. Hotanterahina rahampitso ny fihaonana eo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny filoha Frantsay Emma­nuel Macron. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée. Anisan’ny horesahina ny fiaraha-miasa marolafy […]

Ambatoroka : Rangahy 50 taona naratra mafy voadonan’ny moto

Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatoroka, manoloana ny daba fanariam-pako, ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Raim-pianakaviana to­kony ho 50 taona, naratra mafy voadonan’ny moto ma­rika Sym Jet Power, miloko mainty sy volomboasary, teny an-toerana. Nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana izy io, no voafokan’ilay moto ka nianjera […]