Taratra

Lalaon’ny Nosy 2023 : vita ny antsapaka, raikitra ny fifaninanana

Vita omaly, tetsy amin’ny trano foiben’ny COJI (Comite d’Organisation des Jeux des Iles) Mahamasina, ny antsa­paka ho fizaram-bondrona ho an’ireo taranja iraisana, hifaninanana mandritra ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Raikitra ny fifaninanana! Taranja iraisana enina no nanaovana ny antsa­paka, nahitana ny basikety 3 x 3 sy ny 5 x 5, […]

Naiditra am-ponja : mpifankatia tratra nitsindrona « Cristal »

Natolotra ny fampanoavana omaly, naiditra am-ponja vonjimaika ireo mpifankatia (lehilahy 19 taona sy vehivavy 42 taona) tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika « cristal Métamphétamine ». Nosamborin’ny polisin’ny Stup teny Soavimbahoaka, afakomaly, ireto mpifankatia ireto noho ny fidorohana sy fitsindronana zava-mahadomelina. Naharay fitarainana momba ny fisian’izy roa midoroka zava-mahadomelina ny polisin’ny Stup. Nidina […]

Kitra fanomanana : hifampitsapa ny Barea sy ny Elgeco Plus

Hotanterahina anio, eny amin’ny kianja Elgeco stadium By-Pass, ny lalaon’ny Barea de Madagascar sy ny Elgeco Plus. Fihaonana, tafiditra amin’ny fanomanantenan’ny roa tonta amin’ireo lalao iraisam-pirenena hatrehiny atsy ho atsy. Raha tsiahivina, lalaon’ny Nosy ho an’ny Barea de Madagascar ary fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona ho an’ny ekipa tompon’ny amboara aty […]

Asief : hatao any Nosy-Be Hell Ville ny andiany manaraka

Hifarana tanteraka afaka 2 andro ny fifaninanana nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des Fonctionnaires), tanterahina eto Toamasina. Efa fantatra sahady ny toerana hanaovana ny andiany manaraka, taorian’ny fikaonandoha nataon’ny mpikambana teo anivon’ny Asief. Araka izany, any Nosy-Be Hell Ville indray ny hanaovana ny fifaninanana Asief, […]

Efa indroa nigadra : lehilahy nisandoka ho kolonely voasambotra

Tratran’ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho kolonely hatry ny ela teny Soamanandrariny, Ambohimangakely, afakomaly. Milaza azy ho manamboninahitra ambony, mahavita mamoaka olona any am-ponja ity kolonely sandoka ity. Efa mananika ny faha-64 taonany, reseny lahatra amin’ny filaza masaka ireo sendra azy. Vitany avokoa ny mamoaka ny gadra mamita sazy […]