Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ialanana Vavolombelona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA-10) ny fanamarihana ny faha-30 taona niorenan’ny sampana Mpanazava sy Tily (Sampati) eo amin’ny sahan’ny FJKM. Haharitra 4 andro ny fanamarihana izany eny an-toerana izay hihaonan’ireo Sampati manerana ny Nosy. Nomena fiofanana ireo tomponandraikitra isam-paritra eo anivon’ny fikambanan’ny varira eto Madagasikara. […]
Taratra
Fizarana fisotroan-dronono : mitohy ny fanajana ny tetiandro napetraka
Hanomboka anio ny fizarana fisotroan-dronono ho an’ ireo zokiolona eto Analamanga ho amin’ity volana aogositra ity eny anivon’ireo Perceptions Principales sy ny TMA ary ny TPIC. Ho an’ireo mpisitraka manana laharana miafara amin’ ny 0-1-2 no mandray ho an’ny anio alakamisy 10 aogositra. Anjaran’ny manana laharana miafara amin’ny 3-4-5 kosa […]
Vangaindrano : nofanina ireo mpanentana ara-pahasalamana.
Mbola maro ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Vanganindrano. Hampihatra paikady mifanaraka amin’ny zava-misy any an-toerana ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny tazomoka. Anisan’izany ny hahafahan’ny mpanentana ara-pahasalamana mitily sy mitsabo ny tazomoka ho an’ny olona rehetra. Nomena fiofanana, araka izany, ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 320 any an-toerana. Indroa […]
“Festival des œufs” andiany faharoa : hisarihana ny olona hanjifa atody sy hiompy akoho
Sakafo feno, mahavelona, ny atody nefa mbola ambany ny tahan’ny fihinanana azy eto amintsika. Manomana hetsika hanomezana lanja ny vokatra mandritra ny hateloana ny fikambanana 2A any amin’ny 37 km miala ny Renivohitra, ao Antanetibe Mahazaza. Eto Madagasikara, mihinana atody 20 isan-taona ny olona iray, raha atody 200 isan-taona ho […]
Loholona Ramanambitana Richard : “Tsy mety ny fiaraha-mitantana telo volana mialoha ny fifidianana”
“Tsy mety eto amin’ny tany sy ny fanjakana intsony ny fiaraha-mitantana, telo volana mialoha ny fifidianana filohan’ ny Repoblika”, hoy ny loholona sady filohan’ny Ifi, Ramanambitana Richard, momba ny toe-draharaham-pirenena. Izay fiaraha-mitantana izay no hanimbana ny asa tsara vitan’ny fitondrana. Mbola hahavitan’ny fitondram-panjakana zavatra tsara ho an’ny vahoaka izany telo […]




