Taratra

Na tsy nisy aza ny soratra : nifampatoky ny Malagasy

Izay voasoratra dia voasoratra ! Fehezanteny manambara ny lanjan’ny soratra amin’izao vanim-potoana izao. Tsy azo hivadihana na ho­dian-tsy hita, fa manana hery matanjaka hoenti-mifampifehy. Ireo sehatra nampiasana azy rahateo mametraka sahady io lanjany io. Nanoratana ireo didy aman-dalàna ifampifehezana. Tahaka izany ihany koa ny fifanarahana isan-karazany, fifampivarotana, fananganan-jaza, sns. Na […]

Jazz@tohatohabato : hosokafan’ny « Jazz Kids » ny sehatra

Raikitra ! Manomboka anio, hiaina andro maromaro ao anatin’ny jazz ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 ora sy sasany hariva, etsy amin’ny Ivokolo Analakely (Cemdlac teo aloha) no hisantaran’ny «Jazz Kids» ny fandaharam-potoanan’ny hetsika «Jazz@tohatohabato», andiany faha-12. […]

« Tetikasa Kanto Manabe » : tanjona ny hampivoatra sy hampiroborobo ny talentan’ny tanora

Maro ny tanora liana amin’ny fanaovana sary, ary tena manana talenta amin’izany izy ireo raha ny hita eny amin’ny fampirantiana “Diversité et Biodiversité de Madagascar”. Izany indrindra no nampisy ny tetikasa “Kanto Manabe” ho tombontsoan’izy ireo. Haikanto maro samihafa no miranty ao amin’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Ny 30 aogositra 2023 […]

Asief 2023 – Toamasina : « Tsy nanara-penitra ny fandraisana ireo atleta », hoy ny mpandray anjara

Raisina eny ani­von’ny sekoly ireo atleta sy mpandray anjara mandritra ny lalao ara-panatanjahantena iraisan’ny minisitera « Asief 2023 » any Toamasina, ankehitriny. Tsy mendrika izany fa tokony ho raisina any amin’ny trano fandraisam-bahiny izy ireny, raha ny fanazavana. Anisan’ny mpilalao sy mpandray anjara mitondra fanamarihana amin’ny fizotry ny Asief 2023 any Toamasina ny avy amin’ny ta­ran­ja “Law tennis”. No­kianin’izy ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Hifarana, anio, ny fifaninanana karakarain’ny Transparency International-IM, anehoan’ireo manan-talenta amin’ny fanoratana sy fandresena lahatra. Lohahevitra : “Taratasy ho an’ny filoham-pirenena ho voafidy…”. Fangatahana mba handroso sy ho lavitry ny kolikoly ny firenena ny fifaninanana. Natao tany Toamasina, afakomaly, ny filankevitry ny governemanta, mitety faritra. Nisongadina tamin’izany ny fampitaovana “Scanner” ho […]