Taratra

INDRAY MIJERY

Nafindra toerana any Séoul ireo mpilasy ana­tin’ny “Jamboree skoto” maneran-tany, andiany faha-25, tanterahina any Saemangeum noho ny ahiahy fa handalo ao ilay rivodoza afaka andro vitsy. Ny fikambanana skoto koreanina no mikarakara ny hetsika. Manana tanora solontena i Madagasikara. Tonga ao amin’ny fari-piadiadiam-pampianarana Amboasary Atsimo ny fiara lehibe mitondra ny […]

Kaominina Tsifota : nampiakatra ny vidin’ny trondro ny fisian’ny toeram-pitahirizana

Nanampy ny mpanjono ao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, amin’ny fitahirizana ny vokatry ny ranomasina azon’izy ireo ny fanavaozana ny toeram-pitahirizana ao an-toerana, vita ny taona 2022. Mivondrona ao amin’ny fikambanana Firai­santsoa ireo mpanjono ary manefa hetra any amin’ny kaominina. «Nitondra fivoarana ny fahaveloman’ny toeram-pitahirizana satria niakatra ny vidin’ny […]

Tsy mety mifarana : hanamafy ny fitakiany ny Seces

Manantena ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces) fa ho tafiditra amin’ny lahadinika mandritra ny filankevitry ny governemanta any Toamasina, anio, ny fitakian’izy ireo. Hivory indray ny mpikambana rahampitso hijerena raha namaly ny fanjakana. Hanamafy ny hetsika fitakiana ny mpampianatra rehefa manao bemarenina ny fitondrana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikà, […]

Miovaova ny maripana : maro ny olona voan’ny gripa mahery

Betsaka ny olona mividy fanafody fampiakarana hery fiarovana sy fampidinana hafanana eny amin’ny farmasia amin’izao fotoana izao. Mihamahery ny fise­hoan’ny gripa amin’ izao fotoana izao, hoy ny mpitsabo eny amin’ny hopitalim-panjakana sy ny dokotera tsy miankina eto an-drenivohitra. Tratrany avokoa na ireo mbola madinika na ny olon-dehibe, indrindra ireo manana […]

TARATRY ny KANTO

5% ka hatramin’ny 6 % eo ho eo, amin’ireo tahi­rin’antontan-taratasy etsy amin’ny Arsivam-pirenena Tsaralalana ihany no mbola voavadika ho niomerika. Efa afaka jeren’ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny teknôlôjia vaovao izy ireo. Mba hisorohana ny fahasimbana na sanatria faharovitan’ny taratasy ny antony. Tontosa sy efa afaka hanatanterahana seho ny Kianjan’ny hiragasy. Miandrandra […]