Taratra

Nifanenjehin’ny UIR: jiolahy dimy maty voatifitra

Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. […]

Mpivarotra solika hosoka: roa lahy tratran’ny zandary tao Toamasina

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fi­karohana heloka bevava Toamasina, ny 13 janoary 2025 hariva, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fivarotana solika mitapoka asidra. Teo am-panaovana izany, tao amin’ny fokontany Mangarano, miaraka amin’ ireo fitaovana fampiasan’izy ireo no tratra izy roa lahy ireto. Nahitana solika […]

“Chan 2024”: nahemotry ny Caf amin’ny volana aogositra

Noho ny fotodrafitrasa any Kenya sy i Tanzania ary i Ounganda tsy mbola tomombana tsara, nanao fanambarana ny Caf fa hatao amin’ny volana aogositra ny «Chan 2024». Nandray fanapahan-kevitra goavana ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf), omaly halina, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Notapa-han’izy ireo tamin’izanyfa ha-hemotra amin’ny volana aogositra ho […]

19 taona nanolanana an-janany: mpanao baolina malaza naiditra eny Tsiafahy

Nalefa eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nanolana an-janany vavy tetsy Ampasamadinika. Niharan’ny herisetra nandritra ny 19 taona io zanany io saingy izao vao nisy sahy nitoroka. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy ilay mpihira sady mpanao baolina malaza eto an-toerana ha­trany ampitan-dranomasina. Niakatra fampanoavana ny alatsinainy 13 janoary teo izy. Naiditra vonjimaika […]

Don-tandroka

Asa re inona no hiseho? Hoy ny fanontanian’ny maro, manoloana ny zotra politika eto amin’ny firenena. Andaniny, ny mpanohitra, mandrangaranga ny tsy fanekena ny voka-pifidianana. Milaza ny hanao hetsika mihitsy ho fitsipahana ny “ fanodinkodinana ny vatony”. Hidina an-dalambe raha ilaina izany. Asa inona no koninkononina eny Bel’air eny? Efa […]