Taratra

Orthodoxe Russe any Ukraine : voahitsaka ny zo sy ny fahalalahana

Notanterahina omaly, teny amin’ny Consulat de la fédération de la Russie teny Ivandry, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny momba ny zava-misy iainan’ny fiangonana Ortho­doxe Russe, ao Ukraine. Nandritra izany ny nanambaran’izy ireo ny fanitsakitsaha ny zo sy ny fahalalahan’ny mpino ao amin’io fiangonana io. Teo ihany koa […]

Mifameno fa tsy mifamono

Fiteny ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Izay no miantoka ny famokarana sy ny fihariana. Tsy misy fihatsaram-piainana, raha anjakan’ny olon-dratsy izay atao. Mety ho rava sy very ao anatin’ny fotoana fohy izay nisasarana an-taona maro. Izay no maha zava-dehibe ny fampanjakana ny fandriampahalemana… maro lafy. Manomboka […]

Fakana bahana amin’ny fifidianana : nifanotofan’ny mpanao politika Ankaramalaza

Sehatra ihazakazahan’ny mpanao mpolitika indray ny famonjena hetsika ara-pivavahana. Rakotra azy ireo ny fanokanana mpiandry tany amin’ny toby Ankaramalaza, tamin’ity herinandro ity. Samy niatrika ny fanokanana mpiandry, natao tany amin’ny toby Ankaramalaza, eo anivon’ny fiangonana FLM ireo mpanao politika, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny kandidà Ravalomanana Marc sy ny filoha […]

TSELATRA

Lehilahy lehibe dimy nosamborin’ny polisy noho ny filokana an-dalambe teto an-dRenivohitra, afakomaly. Efa nanaovana fanentanana manokana, nanohy ny filokana hatrany izy ireo. Nosamborina, taorian’izay ay hanaovana fanadihadiana. Nampaha­tsiahivin’ny polisim-pirenena fa tsy azo atao ny miloka an-dalambe. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa mpangalatra omby tao Soatolakandro, fokontany Ambatotsipihina, kaominina […]