Taratra

Fampiasana fanafody fandrindram-piterahana: ho tratra ny tanjona 60%, hoy ny solontenan’ny Unfpa

Mpiray ombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny fahasalamana ara-pananahana sy fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny azo sorohina ny Unfpa. Nahafa-po ny vokatry ny asa ho an’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona famaranana ny fandaharanasa fahavalo iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny mponina (Unfpa) ity, hoy ny solontenany […]

INDRAY MIJERY

Ho an’ny telovolana ho avy : aogositra-septambra ary oktobra, ho vinavinaina hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsakorana saika manerana ny Nosy, afa-tsy ny faritra Diana, Sofia sy ny ilany avaratry ny faritra Sava sy Alaotra Mangoro. Foana ny fampitandremana mahakasika ny alondrano ho an’ny morontsiraka […]

Fandaharanasa Club des maçons: 30 mianadahy nahavita fiofanana momba ny taotrano

Notanterahina teo Ampe­filoha, tamin’ity herinandro ity, ny fanolorana mari-piofanana ho an’ireo mpanao taotrano 30 mianadahy, izay nanaraka ny fandaharanasan’ny Ce­men­tis, club des maçons. Noforonina ny fandaharanasa club des maçons hahafahana manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo amin’ny taotrano sy ny asa vaventy, hanome fahafahana tsara kokoa ho an’ny mpiasa ary miantoka […]

Fiarovana ny fotodrafitrasa : Fikambanan’ny mponina 18 hanolo-tanana ny CUA

Manana solontena ao anatin’ny fikambanan’ny mponina avokoa ny boriborintany enina eto an-drenivohitra hanome tolo-tanana ny mpitantana hitondra fampandrosoana eny ifotony. Ho fampandrosoana ny tanàna, mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy mihalangalana fotsiny eny anivon’ny fokontany misy azy. Nitombo 18 indray ny fikambanan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra hifanome tanana amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Da Hopp. Ho tanterahina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Kudéta Urban Club, ny fampisehoana iaraha amin’ny tarika Da Hopp. Ity tarika ity izay anisan’ny namakilay ny mozika rap teto Madagasikara. Tsy miova fa ny mozika nahafantarana azy hatramin’izay ihany no entin’ny tarika hampifaliana ny mpankafy azy. Reggea […]