Taratra

Disadisa : Polisy maty noleram-badiny antsy

Namoy ny ainy vokatry ny tsindron’antsy tao Sambava, omaly maraina. Tsy nifankahazo tamin’io vadiny io, naharay zava-maranitra ilay ramatoa. Natsindrony teny amin’ny vadiny avy hatrany anefa izany. Poa toy izay, nifamonjen’ny mponina manodidina nentina tao amin’ny hopitaly CHRR Besopaka ilay Sous-Brigadier. Tsy tana anefa ny aina noho ny hamaroan’ny ra […]

Arsevekan’Antananarivo : nakotroka ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu

Tontosa ny sabotsy 22 jolay 2023, ny fandraisana ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, Arsevekan’Antananarivo vaovao, teto amin’ny diosezin’An­tananarivo. Hetsika maro no nentin’ny mpino katolika nandray ny raiamandreny am-panahy, hiandraikitra ny diosezin’Antananarivo. Nan­dray azy ny Mgr Razana­kolona Odon Marie Arséne sy ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal. Nanotrona azy ireo ny […]

Paul Rabary: «Afabaraka ny firenena»

« 63 taona niverenan’ny fahaleovantena, mbola fikarakarana fanadinam-panjakana no olana ho an’i Madagasikara », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Rabary Paul, tetsy Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo. Navoitrany fa tsy voafehin’ny fanjakana ny toe- draharaham-pirenena. “Diso ny fanapahan-kevitra noraisina”,hoy izy. Niteraka fikorontan-tsaina tamin’ireo mpiadina ny fanoloana ny laza adina “Tantara […]

Korontana tamin’ny Bakalorea : mitaky fanazavana amin’ny minisitra ny MMM

Tsy mbola nifarana eo. Mangata-panazavana amin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa ny loholona MMM, manoloana ny fiverimberenan’ny fivoahan’ny laza adina Bakalorea. Nohitsin’ny fanambaran’ny antoko Malagasy miara-miainga fa tranga efa niseho teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro nifanesy izany. Anisan’izany ny tamin’ny taona 2019 nefa […]

Vaovao tambatra

Hampiakarina ho 750 m3 raha 200 m3, anke­hitriny, ny rano kirakiraina ao an-tampon-tananan’Antsiranana I. Asa maika famatsian-drano any ny fokontany Mangarivotra, Tanambao Tsena, Tanambao Avaratra ary Maromagniry. Tetibolan’ny minisiteran’ny Rano, amin’ny alalan’ny tsenan’asam-panjakana, ka hahena ho 15 andro ny fe-potoana hisokafan’ny tolo-bidy. Hamboarina ny ampahan-dalana (RN 7) ao an-tampon-tananan’Antsirabe, mandalo any Mandanin­dre­saka […]