Voadonan’ny fiara, teny Andohatapenaka, ny mpianaka nitondra bisikileta. Maty tsy tra-drano ny zanany vao 10 taona. Naratra mafy kosa ny rainy. Maty tsy tra-drano ny zazalahikely tokony ho 10 taona voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana, tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, ny sabotsy hariva teo, tamin’ny 6 ora sy 10 minitra, araka ny […]
Taratra
Morondava: fihaonambe iraisam-paritra momba ny fandriampahalemana
Mamita iraka any Morondava, faritra Menabe ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo delegasiona tarihiny. Omaly, nihaona tamin’ireo olobe, olom-boafidy, olom-boatendry izy ireo amin’ny fanohizana hatrany ireo hetsika sy paikady hitandroana ny filaminana any an-toerana. Hanaikaikezana ny vahoaka sy hanomezana tantsoroka azy ireo hanana fitoniana sy ho […]
Fanaraha-maso ny mpanao fanadinana: «Tsy misy idiran’ny finoana ny fepetra takina ho an’ny rehetra»
Tetsy amin’ny lisea teknika Tanamakoa, nandritra ny fanadinana Bakalorea, sampana teknika, ny alarobia teo, tao anatin’ny adina Fizika sy Simia no nisian’ny famoahana mpiadina manao satroka ba sy sarondoha manampina sofina. Ny lehiben’ny foibem-panadinana no nandray ny fanapahan-kevitra. Ho an’ ireo nanao satroka ba tsy nahabe resaka fa nanala izany […]
Fahasalamana: telo andron’ny vaksiny miady amin’ny lefakozatra
Ny 25 hatramin’ny 28 jolay izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, andiany faharoa, iarovana amin’ny aretina lefakozatra. Manerana ny Nosy ny hetsika ary hidina isam-baravarana ny mpiasan’ny fahasalamana hanao izany. Ireo zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona no hatao vaksiny, hiarovana azy amin’ity areti-mandoza ity. Mitarika amin’ny fahasembanan’ny zaza na mety […]
Fahaiza-mitarika: nofanin’ny CUA ireo fikambanana sy mpivarotra
Nanatanteraka atrikasa fampiofanana momba ny maha olompirenena sy fahaiza-mitarika ara-tsosialy ho an’ireo mpitantana fikambanan’ny mponina sy fikambanan’ny mpivarotra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka ny fiofanana ny avy ao Manarintsoa, Andavamamba Anjezika I, AntetezanafovoanyI, Morarano, Mahazoarivo, Ankorondrano Atsinanana, akorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery, 67ha Nord Est, Antohomadinika FAAMI, Andranomanalina Afovoany, Antohomadinika afovoany, […]




