Taratra

Milaza ho mahita vazaha mpividy : tratra ny jiolahy iray milaza fa manana mena-bato

Tratran’ny zandary avy ao amin’ny “brigade territorial” Toamasina, eo ambany fibaikoan’ny GPHC Raherison Susthéne ny lehilahy iray mpisoloky milaza ho manana mena-bato sy vola iray baoritra. Milaza ho manana mena-bato sy mahita vazaha mpividy izany ity lehilahy mpisoloky ity. Efa fomba fiasa fakany vola aman’olona izao fisolokiana izao. Tsy vitan’izay […]

Analavory : dahalo telo lahy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy. Namoy ny ainy ny dahalo telo lahy nangalatra omby tao Ankazomasina, fokontany Amparaky, kaominina Analavory, afakomaly alina. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona fa manafika ao an-tanàna ny olon-dratsy efatra mitam-piadiana. Nentin’izy ireo nandositra ny omby roa. Nanara-dia niaraka amin’ny tompon’omby very avy hatrany ny zandary notarihin’ny […]

Nikorontana ny fianakaviana… : ny rahalahiny ihany no notafihin’ilay jiolahy

Tratra teo am-pianihana tamboho tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray, raha nikasa hangalatra tao an-tranon’ny rahalahiny ihany. Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nisehoan’izany. Tsy nandondona sy niantso izy fa niditra moramora ka nihanika ny tamboho misy ny tranon’ilay rahalahiny. Miaramila miasa ao Toama­sina […]

Basikety- Mada U14 : hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hifarana afaka roa andro ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, latsaky ny 14 taona lahy sy vavy, taranja basikety, tanterahina eny amin’ny Kianja Barea Maha­masina. Fantatra omaly, ireo ekipa hiatrika ny dingana ampahefa-dalana amin’ny anio. Ho an’ny sokajy vehivavy, hiatrika ny ampahefa-dalana, ny ekipan’ny SAC, Luca­dro, FBC, Mb2All, BAS, CBF, JAP […]

SOMBIM-BAOVAO

Telma Coupe, taranja baolina kitra. Ho­tanterahina ny volana septambra ho avy izao ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ity fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ity. Tsara ny mampahafantatra fa izay tompondaka amin’ity no hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana Afrikanina 2024-2025. Judo, handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “Cadets” sy “Juniors”, i […]