Velon-taraina tanteraka amin’ny tsy firaharahiana ireo atleta izy ireo. Tonga niray feo sy nanao antso avo, izay nahitana ny taranja fibatana fonjamby, karate, tolona, rugby, tenisy ambony latabatra, Ady totohondry, lomano, basikety, volley, handball, tenisy,…Tsizarizary, hoy izy ireo, ny fikarakarana ny atleta, na rano sotroina aza tsy misy. Mametra-panontaniana hoe […]
Taratra
«Lalaon’ny Frankofonia» : mbola baraingo ny amin’ny Barea de Madagascar
Neken’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “Lalaon’ny Frankofonia” andiany fahasivy, hotontosaina ny 28 jolay – 6 aogositra ho avy izao, any Kinshasa, RD Congo. Afaka fito andro, hanomboka ny lalaon’ireo firenena miteny frantsay, « Jeux de la Francophonie 2023 » andiany fahasivy. Hatramin’izao, tsy fantatra raha mandray anjara amin’ity […]
VAOVAO TAMBATRA
Paikady fampandrosoana ny jono sinoa, fananganana orinasa ho an’ny jono maitso, fiompiana tilapia ary fampahafantarana an’i China. Nanatrika izany tany an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Nitsidika ny faritra Alaotra Mangoro, ny alatsinainy teo, ny masoivohon’ny firenena Indonezianina eto amintsika. Voaresaka nandritra ny fihaonany tamin’ […]
« Tombola Tafabe Orange » : nahazo fiara vaovao Ratompoarisoa Antoinette
Anisan’ny hetsika ankalazana ny faha-20 taona ny Orange Madagasikara ny lalao «Tombola Tafabe». Natolotra, omaly, ireo lokabe ka azon -dRatompoarisoa Antoinette ny fiara vaovao Renault Duster. Faharoa, moto scooter vaovao, lasan-dRasolondray Roger avy any Ambilobe. Fahatelo, lelavola (Orange money) mitentina 5 tapitrisa Ar ho an-dRalalaoharison José Marino, monina eto Antananarivo. […]
Fifaninanana robotika: tafakatra famaranana i Madagasikara
Sambany i Madagasikara no tafakatra hanao ny dingan’ny famaranana fifaninanana robotika « Panafrican robotics competition » (Parc engineers league), laharana faharoa taorian’i Nizeria. Famaranana hatao any Sénégal, ny 23-31 jolay 2023. Manohana ny ekipa malagasy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fifandraisan-davitra, ny fampiroboroboana ny niomerika ary ny paositra (MNDPT). Homen-danja […]




