Higadona afaka iray volana ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto Madagasikara. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanomanana sy ny fandaminana rehetra ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny COJI, Rakotozafy Rosa. Maneho ny fahafaham-pony koa ireo Nosy rahavavy. Efa manomboka mivezivezy mandamina ny fivahinianana sy mijery ny fikarakarana sy fanomanan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy, […]
Taratra
Lisi-pifidianana : 11 043 838 na 81,25% amin’ny vina ny isan’ny mpifidy
Miisa 11 043 836 na 81, 25% tamin’ny vinan’ny Ceni 13,5 tapitrisa no isan’ny mpifidy, araka ny tatitry ny Ceni, notarihin’ny filohany, Andrianarisedo Dama A., teny Alarobia, omaly, tamin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Nitombo 293 902 izany, fa 10 749 934 ny fanavaozana isan-taona (Rale), taona 2021-2022. Misy faritra fito latsaka […]
Fihaonanana tamin’ny filoha: nidera ny vina PEM ny antoko kaominista sinoa
Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, teny Ambohotsirohotra, omaly, ny delegasion’ny Antoko kaominista sinoa (PCC). Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Notsiahivina tamin’izao fihaonana izao ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara. Niarahaba manokana sy nidera ary resy lahatra amin’ny fomba fiasan’ny filoha Rajoelina ireto […]
Filoha dia filoha
Ny vola no ndeha hatao fototry ny resaka sy adihevitra amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao? Tsy inona fa ny amin’ity hoe 200 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina. Misy ny tsy taitra. Toa zarany aza? Ao ny mampiaka-peo, miakatra afo… Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny? Na ny […]
TSELATRA
Dahalo raindahiny lavon’ny zandary tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, distrikan’Ambato Boeny, afakomaly hariva, nangalatr’omby. Niisa dimy lahy ireo olon-dratsy. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny dahalo iray. Manohy ny fanarahan-dia miaraka amin’ny zandary ny fokonolona. Tra-tehaky ny zandary tao Ambohimanambola ny lehilahy iray indroa sarona tamin’ny fangalarana varavarana vy, afakomaly. Efa sarona […]




