Ny mpanoratra, mpamosaka ny ampitso. Mety ho lakolosy fanairana ihany koa ny asa sorany. Nanana ny nampiavaka azy anefa ny fiainan-dry zareo ireto tao anatin’ny dimy taona… Taona 1960, nahatsiaro tsy mbola ho afaka i Madagasikara. Nipololotra ny tononkalom-pitolomana. Taona 1972, nivaivay ny endriky ny mizana tsindrian’ila sy ny fampisaraham-bazana. […]
Taratra
Ramamimampionina Gerard-Noël : “Manampy olona mba hijoro amin’ny maha izy azy sy ho olombelona marina”
Anisan’ny olona tia mandray andraikitra sy manampy ny sahirana Ramamimampionina Gerard-Noël. Nandrisika azy hirona amin’izany, ny fahatsapany sy efa nilonany tao anaty fahantrana nandritra ny fahazazany, raha ny fanazavana. Tia mandray andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa (eo anivon’ny fianakaviana, fiarahamonina, fiangonana ary eo anivon’ny fiainam-pirenena…) Ramamimampionina Gerard-Noël. Miainga eo anivon’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa mandeha ny fandrakofana godirao ny ampahan-dalana RN 2, Antananarivo-Toamasina. Voakasik’izany ny eo Manjakandriana hatrany Moramanga (PK 48 –PK 78). Manodidina ny 2 900 ny mampiasa ny RN 2 isan’andro, ka kamiao ny 1 500 raha fiara madinika sy mpitatitra ny 1 400. Manara-maso ny minisiteran’ny Asa vaventy. Masomboly voamarina […]
Olobe Toliara : fangatahana amin’ny governora sy ny prefe ny hanokafana ny Base
Mivoatra hatrany ny zava-misy! Nanao fanambarana iombonana ireo olobe sy ny mpitan-kazomanga avy any amin’ny kaominina miisa dimy, voakasiky ny tetikasa Base Toliara, napetraka any amin’ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny Prefe Toliara. Anisan’ny voarakitra ao anaty fanambarana fa manana ny olona ilaina sy ny harena voajanahary entina hampandrosoana […]
Ady fiady… saro-pady
Mahabe resaka tato ho ato ny sosialim-bahoaka. Hadinodino? Eny, na efa nambara aza fa ho laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’ity taona ity. Mby aiza? Voalohany sy lehibe ary maika amin’izany ny fampanjakana ny fandriampahalemana. Anisan’ny antony sy vokatry ny lafin-javatra hafa rehetra? Fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy […]




