Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ny Barea de Madagascar. Araka izany, hosedraina amin’ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony ry zalahy, amin’ity faran’ny herinandro ity. Any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara no nisafidy hanazatra tena ny Barea de Madagascar, amin’izao faran’ny herinandro izao. Hiatrika lalao tsapa […]
Taratra
Vaovao tambatra
Harenina ny lalana eny Ambatoroka mankany Ambohipo, hatrany Ambolokandrina. Ampahany voalohany ny eo Ambatoroka sy Ambohipo (ny sampanan-dalana telo) mihazo ny tsena sy ny fiantsonana « 164 ». Faharoa, ny mankany Ambolonkandrina hatrany amin’ny fivilian-dalana Antsahamamy. Ho vita amin’ny febroary ny asa. Zara raha manodidina ny 50% sisa ny herinaratra azon’ny mpanjifa, […]
Fampidinana ny vidim-bary: harahi-maso ny dingana rehetra
Miara-misalahy ireo tomponandraikitra samihafa hijerena ny vidim-bary taorian’ny toromarika nataon’ny filoham-pirenena, ny alarobia teo. Namory ireo mpivarotra mpamongady ao Toamasina ny tomponandraikitra, ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) Atsinanana. Nisy ihany koa ny dinika niarahana tamin’ireo mpandraharaha mpanafatra entana ao Toamasina, ny talata teo. Filamatra ao […]
Toekarena manga: 1 254 000 euros hampiroboroboana ny jono
Voafaritra omaly, teny Nanisana, nandritra ny fivorian’ny komity miandraikitra (Appui sectoriel) ireo sehatrasa hampiasana ny famatsiam-bola hanohanana ny jono, araka ny fifanarahana ara-jono eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina (UE) andiany faharoa. Mitotaly hatrany amin’ny 1 254 000 euros ny volan’ny komity miandraikitra hanatanterahana ny tetikasa amin’ity taona ity. Hita ao […]
Toliara: maro ireo resy lahatra manohana ny tetikasa Base
Fantatry ny fanjakana ny fampandrosoana hoentin’ny tetikasa Base Toliara matoa nekeny ny hanokafana azy indray. Mihamaro ihany koa ny vondron’olona resy lahatra manaraka azy any Toliara. Maro ireo mankasitraka ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara indray, any Atsimo Andrefana. Anisan’izany ny olobe any an-toerana, i Lizanty Emile, nilazany fa niady mafy […]