Sady nanamafy ny antom-pisiany no naneho firaisankina ho an’ny mpiray tanindrazana ireo Mpanakanto Miray Feo. Seho 3 aloha no hanombohan’izy ireo ny fanampiana an’i Toamasina. Ny 20 febroary, ao amin’ny La City Ivandry sy etsy amin’ny le Glacier Analakely. Ny 21 febroary kosa, ao amin’ny Le Glacier ihany, samy amin’ny […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Notolorana karazana fanampiana samihafa sy lelavola ireo mpiasan’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny BCMM any Toamasina, faritra Atsinanana. Tonga tany an-toerana, nanatanteraka izany, ny 18 febroary teo, ny sekretera jeneralin’ny minisitera. Nanampy amin’ny fifampitsinjovana avy tamin’ny minisitera sy ny rantsamangaika manerana ny Nosy ihany koa ny anjara biriky […]
Vondrona Star : Zana-kazo 194 000 fototra no efa voavoly
Efa an-taonany maro ny vondrona Star no nandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, fa tsy mionona amin’ny famokarana zava-pisotro. Anisan’ny hanokanana tetikasa ny fambolen-kazo. Mitana andraikitra lehibe amin’izany ny orinasa Malto, ao anatin’ny Vondrona Star, miara-miasa akaiky amin’ ireo tantsaha mpamatsy akora fototra ny orinasa ilaina amin’ ny […]
Fandalovan’ny Gezani : Simba 98% ny taribim-pifandraisan-davitra
Lasibatry ny rivodoza farany teo ireo fotodrafitrasam-pifandraisan’ny Yas Madagascar ao amin’ny faritra Atsinanana, potika hatrany amin’ny 98%. Voakasik’izany ny ao Toamasina, Brickaville ary Foulpointe, ka niteraka fikorontanana tamin’ireo tolotra « fibre » sy ny antso. Manara-maso akaiky ny zava-misy, noho izany, ny orinasa ka nitondra vahaolana vonjimaika hiantohana ny fitohizan’ny […]
Fokontany madio: Fifaninanana hamerenana ny hasin’ny tanàna
Hanentanana ny olona handray andraikitra, sy hanova toe-tsaina ary hitandro ny fahadiovan’ny tanàna ny fifaninanana fokontany madio. Hetsika atao mandritra ny roa volana, manerana ny fokontany eto an-dRenivohitra. «Antananarivo madio, fahadiovana fototry ny fahasalamana, antoky ny fampandrosoana ny firenena », ireo ny teny nentin’ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy […]




